Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Elgeco Plus By-pass, ny famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara. Hiady izany ny Elgeco Plus Analamanga sy ny CFFA Andoharanofotsy. Mialoha izany anefa, miantso ny tomponandraikitry ny fifaninanana eo anivon’ny Federasiona malagasy, FMF, ny filohan’ny klioba CFFA, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, omaly, mba hanome […]
Taratra
Moto – “Slalom scooter”: hiditra amin’ny dingana fahadimy
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny grand parking CCI Ivato, ny dingana fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Slalom scooter 2024”, taranja Moto. Hafana tanteraka ny fifaninanana eny an-toerana, indrindra ho an’ireo mpilalao fiara kodiarandroa. Tsara marihina fa ny klioba Thunder Racing Scoot (TRS), no mikarakara ny hetsika amin’izany. Hifanintsana eny an-toerana […]
Rugby – “Can” vehivavy : nangalana 150 tapitrisa Ar ny volan’ny Malagasy Rugby
Naneho ny alahelony tamin’ny vola nomena azy ny Malagasy rugby, tamin’ny fikarakarana ny fandraisana ny “Can”, sokajy vehivavy, natao teto Madagasikara. Nanesorana fa tsy araka ny lany izany, hoy Rakotomalala Marc Nivoaka omaly ny volan’ny Malagasy Rugby, tamin’ny fikarakarana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2024”, sokajy vehivavy, natao […]
Fitantanana eny ifotony: niofana ireo tomponandraikitra mivantana
Natao tamin’ity herinandro ity ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantana ifotony amin’ny tamberin’andraikitra, ny fahombiazana ary ny fandraisana andraikitra amin’ny olom-pirenena. Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny sy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eto amin’ny faritra Analamanga. Eo koa ny fitantanana tetikasa sy fitantanana mifototra amin’ny vokatra. Ahafahana […]
Fangaraharan’ny tetibolam-panjakana: tsy ampy ny fahalalana omen’ ny fanjakana ny olom-pirenena
Efa azon’ny daholobe arahina amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara saingy vitsy no mahay mikirakira ny antontam-baovao mivoaka. Nozaraina omaly, teny Alarobia, ny vokatry ny fanaraha-maso ny fanadihadiana amin’ny fangaraharana sy ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena amin’ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara, taona 2023. Firenena 125 no […]




