Taratra

FANTINA sy FINTINA

Namoaka ny lisitr’ireo antontan-taratasy ilaina handraisana ny anto-bola narotsaka tamin’ny fifidianana depiote ny eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana. Natao ho an’ireo kandidà nahazo ny isam-bato maherin’ny 10% tamin’ny voka-pifidianana ny fahazoana izany. Anisan’ny antontan-taratasy ilaina ny fanamarinana ny fandrotsahana izany. Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny (MAE), Rasata Rafaravavitafika, ny filohan’ny Komitin’ny fahitsiana( CSI), […]

Pety Rakotoniaina : manamafy ny fisian’ny vondrona parlemantera tsy miankina

“Tsy maintsy hisy ny fijoroan’ny vondrona parlemantera tsy miankina, saingy miandry ny fivoriana manokana amin’ny talata ho avy izao izahay”, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ikalama­vony, Rakotoniaina Pety. Mi­ara-miasa amin’ny fi­tondrana kosa anefa izy ireo, ho fikatsahana ny tena fampandrosoana ny faritra nahalany azy ireo tsirairay avy. “Ny tombontsoan’ny vahoaka […]

Tsy afaka hiziriziry!

  Andro vitsy sisa no andrasana dia hivoaka ny mpikambana amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Toraka izany ny governemanta sy ny ho praiminisitra. Efa somebiseby tsy misy ohatra izany ny mpanao politika, indrindra ry tia seza. Misy ny matoky tena diso tafahoatra ka mamitaka ny ekipa. Mizahozaho ho maro anisa, […]

Fitantanana ny Antenimierampirenena: mila fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny antoko TGV

Tsy manda ny fiaraha-miasa amin’ny ankolafin-kery hafa ny antokon’ny fitondrana na ny TGV. Tsy mijanona amin’ny politika samy irery izany fa amin’ny fampandrosoana ankapobeny koa. “Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ ny faritra Analamanga, Rasoa­maromaka Hery, teny Ambohi­dahy, afakomaly, ny amin’ny fijoroan’ny vondrona […]

Itaosy : lavo tao anelakela-pasana i Guista

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao Amboatavo, koaminina Itaosy, ny alin’ny alakamisy teo. Miandry mpandalo mody hariva io mpanendaka io ka miafina misitrika any anelakela-pasana. Tsy ma­raina tsy alina, manao io asa ratsiny io hatrany ity olon-dratsy ity. Nanao fisafoana tampoka manoloana io tranga fanendahana misy […]