Taratra

Halatra omby : dahalo efa-dahy lavon’ny zandary

Maty voatifitry ny zandary ny dahalo efa-dahy tompon’antoka tamin’ny halatra omby tao amin’ny tanànan’ Iharandramosa, fokontany Mahatsinjo, kaominina Antanambao, distrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa miserana ao amin’io kaominina io ireo dahalo mpampihorohoro sy mpagalatra omby ireo. Niara-nihetsika ny zandary miasa ao Soanindrariny sy ny […]

Vonoan’olona noho ny ady tany : eni-mianaka migadra mandra-pahafaty

Notsaraina tao amin’ny Lapan’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, afakomaly, ny raharaha vonoan’olona nitranga tao amin’ny fokontany Namahoaka, kaominina ambanivohitr’i Vohitranivona, distrikan’i Brickaville. Fianakaviana iray eni-mianaka voaheloka mandra-pahafaty… Niakatra fitsarana tao amin’ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava ny raharaha vonoan’olona tao amin’ny fokontany Namahoaka Vohitranivo, distrikan’i […]

« Telma Coupe 2024 » : hanao ny famaranana ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Nihintsana avokoa ny solontenan’ny ligin’i Vakinankaratra. Tafita hiatrika ny famaranana indray ny Elgeco Plus Analamanga sy ny CFFA Andoharanofotsy. Hotolorana lelavola 25 tapitrisa Ariary izay mivoaka ho mpandresy. Toy ny tamin’ny taon-dasa ihany. Ny ekipan’ny Elgeco Plus Anala­manga sy ny CFFA Ando­haranofotsy no hihaona eo amin’ny famaranan’ny fiadiana ny amboaran’i […]

VAOVAO TAMBATRA

Misy mangalatra ny tsivalamby arofanina amin’ny tetezana miisa 29 any amin’ny lalam-pirenena RN 44 (tapany avaratra PK 209), any amin’ny fokontany Antanifotsy, distrika Imerimandroso. Efa nampandrene­sin’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) ny tomponandraikitry ny zandarimaria. Nisy nanimba sy nandoro ny tahala amin’ny sisin-dalana amin’ny RN1 (PK 25 Beronono Imerintsia­tosika), saika […]