Taratra

Madagascourt Film Festival : hanokatra ny sehatra ny sarimihetsika «Joro»

Tanterahina anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny lanonana fanokafana amin’ ny fomba ofisialy, ny «Ma­dagascourt Film Festi­val», andiany faha-19. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny horonantsary eto Afrika, in­drindra eto Madagasikara, ity hatao ity. Sarimihetsika anisan’ny manana ny maha izy azy ny horonantsarimihetsika “Joro”, notontosain-dRandria­manan­tsoa Rianando Ludovic, […]

Hiragasy: Hanamarika ny 35 taona an- tsehatra Rasoalalao Kavia

Iray amin’ireo tarika kalaza indrindra amin’ny hiragasy ry Rasoalalao Kavia. Hiavaka ny taom-pilalaovana, satria hanamarika ny 35 taona nilomanosan-dRasoalalao tanatin’ny hiragasy izy ireo. Ao anatiny. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ireo tarika mpanao hiragasy malaza rehetra. Ho an’ny tarika Rasoalalao Kavia manokana, efa nanomboka ny volana marsa izy ireo no […]

«Fialantsasatra kanto»: Tanjona ny hikolo ny sain’ny ankizy

Tanterahina mandritra ny volana jolay sy aogositra, mitety ny tranomboky eto An­tananarivo, ny «Fialantsa­satra kanto». Hetsika ara-javakanto maro samihafa no handravaka izany, karakarain’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), miaraka amin’ny mpahay kanto isan-karazany. Marihina fa maimaimpoana tanteraka ny hetsika. Ny ankizy no tena kendrena ao anatin’izany. Ankoatra ny fitazonana ny sain’izy […]

« 15ème Dimanche classique »: hiaka-tsehatra ny LMM Saxophone Quartet

Tafiditra ao anatin’ny fanadaharam-potoana karakarain’ ny Madagascar Mozarteum. Hanatanteraka ny kaonseritra andiany faha-15 amin’ny «15ème Dimanche classique» ny LMM Saxophone Quartet. Ireo sanganasan’i Astor Piaz­zolla tahaka ny «Close your eyes and listen», «Libertango escualo», «Oblivion», Chiqui­lin de Bachin », sns, no holalaovin’izy ireo amin’izany. Seho hotontosaina ao amin’ny Alliance Française Andava­mamba, […]