Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Nivoaka omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny andiany Hiratra, nanaraka ny fiofanana ho an’ny mpitsara taranja basikety. Mpiofana 39 mianadahy no nahazo ny mari-pankasitrahana nandritra ity fiofanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga taranja basikety ity. Hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 17 mey izao, ny fifaninanana “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Ho […]

« Yas Coupe de Madagascar »: Niala an-daharana ny Fosa Juniors

Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera indray ny resaka baolina kitra, omaly. Araka ny vaovao niparitaka, niala an-daharana tsy hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Yas Coupe de Madagascar 2025”, ny Fosa Juniors Boeny. Araka ny fanadihadiana natao, nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba atsy Boeny ity fa tsy afaka hanatrika […]

Jeux corporatifs : Homem-boninahitra ireo nahavitabe

Taorian’ny fiatoana nandritra ny 5 taona noho ny aretina Covid 19, hiverina indray ny «Jeux corporatifs». Fihaonana ho an’ireo mpiasa amina orinasa, karakarain-dRandrianjafitseheno Clément (Clément Rabary), mpanao gazety zokiolona. Andiany faha-28, hotanterahina ny 14 sy 15 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Vontovorona. Hiavaka ity andiany ity, araka ny […]

INDRAY MIJERY

Noho ny fisian’ilay rindrin-drahona izay mitoetra ao afovoany atsinanan’ny Nosy, vinavinaina ho betsaka kokoa ny rotsakorana any amin’iny morontsiraka iny. Tombanana hahatratra 40 hatramin’ny 80mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora. Ahina ny fahabetsahan’ ny rotsakorana any amin’ny faritra Ambatosoa, Analan­jirofo ary Atsinanana, nanomboka omaly hatramin’ny anio, hoy ny […]