Taratra

HetsikA teny Ambatofotsy: Tora-bato no nahafaty ilay mpitolona

Tsy tifitra fa tora-bato no antony namparatra ilay lehilahy 20 taona, mpitolona nanao fihetsiketsehana teny Ambato­fotsy, afakomaly, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena Fip. Naratra mafy noho ny tora-bato ny lo­hany ka nitarika azy tamin’ny fahafatesany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nezahina novonjena haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha […]

Poa-basy teny Tsiadana : Sergent namono rafozana, nitolo-batana

Namoy ny ainy taorian’ny tifitra nataon’ny vinantolahiny ny ramatoa iray 62 taona teny amin’ny fokontany Tsiadana, boriborintany faha-II, omaly. Nitolo-batana ilay nahavanon-doza. Voan’ny bala teo amin’ny faritry ny masony ankavia, namoy ny ainy, ny renim-pianakaviana iray tao amin‘ny fokontany Tsiadana, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Poa-basy […]

Omda : Mpamorona 34 hisitraka fisotroan-dronono

Lanonan’ny mpianakavy no nitranga teny Faravohitra, omaly. Nindrana ny efitrano fanaovam-petin’ny Ekar ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, nentina nandraisana ireo mpamorona, mpikambana. Nampahafantarina nandritra izany fa misy mpamorona vaovao miisa 34 mianadahy hisitraka ny fisotroan-dronono manomboka izao. Ireo mpamorona anatin’ny tontolon’ny zavakanto, mpikambana feno eo anivon’ny Omda, […]

« Smooth Night » andiany faha-20 : Hamerina ny hiran’i Mariah Carey ry Yrinaf

12 taona, hiditra amin’ny seho faha-20. Efa mitoetra ho anisan’ireo hetsika mametraka tantara ny « Smooth Night”. Mitohy hatrany, ka hotontosaina ny 2 oktobra ho avy izao, ny andiany faha-20 etsy amin’ ny Ibis Hôtel Ankoron­drano, manomboka amin’ny 8 ora sy fahefany alina. Hiavaka kely, satria hamerina sy ha­melona ireo sangasan’i […]

Handball – Afrika « Cadets » : Resin’i Algeria i Madagasikara

“Vao manomboka dia resy!” Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “Cadets”, sokajy lehilahy ity. Fihaonana tontosaina any Côte d’Ivoire, nanomboka omaly hatramin’ny 22 septambra. Resin’i Algeria, tamin’ny isa 36 no ho 15, ny Malagasy nandritra ny andro voalohan’ny […]