Taratra

Tratry ny vela-pandriky ny polisy: nangalatra zaza varira, olona roa voasambotra

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikasan-dratsin’ny mpaka an-keriny. Zaza varira iray avotra tao Vangaindrano, afakomaly. Olona roa voasambotra. Avotry ny mpitandro filaminana teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ny zazalahy iray vao 7 taona, tao amin’ny kaominina Anilobe, distrikan’i Vaingaindrano, ny talata 18 jona teo. Nalain’ny dahalo an-keriny teo anatrehan’ny fianakaviany io zaza varira […]

Olep: ady amin’ny fahaverezan-tsolika

Rantsa-mangaika ao anatin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny Rafitra miady amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana an-dranomasina (Olep). Natao ny sabotsy 15 jona teo, tany amin’ny seranan-tsambon’i Toliara ny fanazarantena sy ny fampiasana ireo fitaovana manara-penitra raha sendra misy ny fahaverezan-tsolika an-dranomasina. Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho avy eto amintsika tsy ho ela ny delegasiona avy amin’ny Tanger Med Engineering hijery ny fomba hampivelarana ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara. Mirefy 1000 ha ny seranan-tsambon’i Tanger Med ao Détroit de Gibraltar, any Maraoka. Miisa 100 000 ireo sambo mifamezivezy isan-taona ao an-toerana. Natao nandritra ny roa andro ny dinika […]

Star Ambatolampy : Angovo fanodinana ny rano avy nampiasaina

Mitsinjo ny tontolo iainana ny ozinin’ny orinasa Star any Ambatolampy. Nisy ny delegasiona, notarihin’ny tale jeneraliny, Marc Pozmentier. Nampahafantatra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine. Nampisehoana ny fotodrafitrasa mamokatra angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, manana tanjaka 2MW. Tanjona ny hampihenana ny […]

Ampela mandraharaha : vehivavy valo nahazo tohana

Tosika hanatsarana sy hampiroboroboana ny fandraharahana ataon’ny vehivavy ny tetikasa « Ampela mandraharaha » novolavolain’ny Association des femmes auto entrepreneures à Madagascar (Afam). Tanjona ny hanampiana ny vehivavy hivelatra sy hisokatra amin’ny sehatra maro samihafa. Sehatra iray anisan’ny mahasarika ny vehivavy ny tontolon’ny fandraharahana hampivoarany ny tetikasany. Antony indrindra nahatonga […]