Taratra

Ambilanibe-Andavamamba : jiolahy roa maty voatifitra

Lavon’ny tifitra nataon’ny polisy ny jiolahy roa nanao fanafihana mitam-piadiana teny Ambilanibe, Boriborintany fahefatra, omaly. Narahin’ny mpitandro filaminana maso akaiky ny fihetsik’ireo olon-dratsy ireo. Nikononkonona fanafihana mitam-basy teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao marim-pototra azon’ny polisy. Nanao vela-pandrika avy hatrany ireto farany. Raikitra ny fifandonana ka tsy tontosa […]

Lehilahy hita faty nihosin-dra : notsatohana fantsika ny lohany

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 35 taona hita faty nihosin-dra tao Antanamalandy, Mahajanga, omaly maraina. Nahitana fantsika nitsatoka teo amin’ny lohany. Lehilahy efa nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny fokonolona tao amin’ny faritry ny fasana Mangato­kana, fokontany Antanama­landy, kaominina Renivohitra Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Nifono lamba tanteraka ny lohan’io olona […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny lalana RN2, Mandraka, ho an’ny fiara vaventy, eo amin’ny PK 67+642 sy ny PK 67+961. Ny talata 11 jona sy alarobia 12 jona, amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 3 ora tokandrano ny fahatapahana. Antony, ny fandrarahana godirao amin’ny fanarenana ny lalana. Afaka mandeha kosa ny fiara madinika […]