Nanao tomban’ezaka ny tetikasa « Fafy 2 » na fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony, andiany faharoa, ny faritra Anôsy miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny UCP, ny ONN…Terikasa entina hanatsarana sy hanaraha-maso ny fahasalaman’ ny reny sy ny zaza latsaky ny 5 taona eo amin’ny sehatry ny fanjarian-tsakafo izay miantoka ny fitomboany. Tontosa ny […]
Taratra
Tontolon’ny ankizy amin’ny taona 2050 : miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisina
Nanao tombana momba ny tontolo hovantanin’ny ankizy amin’ny taona 2050 ny Unicef miainga amin’ny fototra siantifika sy ny zava-misy amin’ izao fotoana izao. Fironana telo lehibe no hamaritra ny hoavin’ny zaza maneran-tany : ny fitomboan’ny isan’izy ireo, ny krizin’ny fiovan’ny toetr’ andro ary ny firoboroboan’ny teknolojia arakajy mirindra, hoy ny solontenan’ny […]
Wednesday Morning Group : hanolotra “Bazar de Noël”, andiany faha-60
Ho fiomanana ny fankalazana ny fetin’ny Noely, mikarakara “Bazar de Noël”, andiany faha-60 ny Wednesday Morning Group (WMG). Hatao etsy amin’ny Hôtel Carlton Anosy, ny 30 novambra izao izany. Hiarahan’izy ireo miasa amin’ny ambasadaoro maro sy orinasa samihafa, toy ny groupe Andriantsotahiana. “Natokana ho amin’ny fanofanana ireo vehivavy sy renim-pianakaviana […]
Ho mariky ny fanohanana ireo marefo: nanome jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro Rajoelina Mialy
Mariky ny fijoroan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika manohana hatrany ireo vehivavy ianjadian’ny herisetra ary mampirisika azy ireo hioitra sy hanarin-tena, ny hetsika natao omaly. Lohahevitry ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny hoe “mijoro sy manarin-tena rehefa avy niharan’ny herisetra”. Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro […]
Madagasikara- Nosy Maorisy: Hifantoka amin’ny sehatry ny toekarena ny fiaraha-miasa
Tao anatin’ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny maorisianina, Ritesh Ramful, no nanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Ny 26 novambra teo, tany Maorisy no nanatanterahana izany fihaonana izany. Anisan’ny navoitra tao anatin’ izany ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana […]