“Tsy mikely aina aho mitafa amin’ireo vonona hampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena hafa any ivelany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao Séoul, renivohitr’i Korea Atsimo, ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika. Mandray anjara amin’izany ireo filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta eto Afrika, miaraka amin’ny tomponandraiki-panjakana […]
Taratra
TSELATRA
Norobain’ny jiolahy efa-dahy ny vola rehetra tao amin’ny tranom-barotra iray tao Tanamakoa, Toamasina, omaly. Nitondra basy ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Voadaroka ny raim-pianakaviana tompon-tsena, ka naratra voan’ny antsy ny faritry ny vatany. Tsy nahina ny ainy ary efa nahazo fitsaboana teny anivon’ny hopitaly ny tenany. Karohin’ny zandary ny olon-dratsy nanolana […]
Potika ny lohany : tovolahy maty voahitsaky ny kamiao
Maty tsy tra-drano notetezin’ny kamiao teo amin’ny lohany ny lehilahy iray 20 taona tao tampon-tanànan’ Ambanja, omaly maraina. Nandalo toy ny fiara rehetra nifamezivezy io fiarabe io. Tampoka, voahitsaky ny kodiarana ny lehilahy iray. Nikoropaka nijery ny zava-nisy ny manodidina. Poa toy izay, nandriaka teo amin’ny arabe ny ra. Potika […]
Tsaratanàna : Jiolahy mpaka an-keriny voasambotra
Voasambotry ny zandarimaria tao amin’ny trano fonenany ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny, tao Ambohidray, kaominina Manakana Vonimbohitra, distrikan’i Tsaratanàna, ny faran’ny herinandro teo. Atidoha tamin’ny tranga fakana an-keriny tao amin’ny tanànan’Ambodikininina, ny 17 mey lasa teo io olon-dratsy io. Nikaroka azy taorian’izay ny zandary miasa ao amin’ny kaompania Andriamena. […]
Vola malaky sy fisolokiana : tandremo ny fandraikirekena!
Mahazo vahana ny fisolokiana amin’ny merikiora sy ny fampitomboam-bola mahagaga. Mandraikiraiky amin’ny fahaiza-miresaka ny olon-dratsy. Samia mitandrina ! Mila mailo sy malina fa tsy kely lalana ny ratsy ! Mirongatra ny fisolokiana sy ny fitatipaka isan-karazany mba hahazoam-bola. Manararaotra ny fahasahirana ny olon-dratsy. Vao tamin’ny herinandro lasa no nisy mpivady, mpisoloky amin’ […]




