Taratra

FANTINA sy FINTINA

Araha-maso ara-pitsarana Raharimanana Patrick rehefa niakatra ny fampanoavana tetsy Anosy, afakomaly. Anisan’ny nanadihadiana azy ny famoahana ny fandaharam-potoan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny Facebook ary izao nalefa nody any an-tokantranony izao. Naharitra herinandro ny famotorana momba ity raharaha ity. Notanterahina, omaly ny fanaovam-beloma farany ny kandidàn’ny Firaisankina, i Mamy Clavere, tao amin’ny […]

Loholona Tahina Andrianandrasana : « Manao ny asany ara-dalana ny filoha Rajoelina Andry »

Tsy misy fandikan-dalàna ny fitetezam-paritra ataon’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoeli­na Andry. “Tsy mitokana fa manolotra fotodrafitrasa izy”, hoy Tahina Andrianan­drasa­na, loholon’i Madagasi­kara. Nisy ny tafa ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny loholon’ i Madagasikara, Andria­nan­drasana Tahina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Anteni­mierandoholona Anosy. Tao anatin’izany no nitondrany fa­nazavana mahakasika ny re­sabe momba ny […]

Mila mazava

Hazakazaka arahin-tosika ny an’ny filohan’ny Repoblika sy ny ekipan’ny minisiteran’ny Angovo amin’ny fizarana jiro. Fanatanterahana ny fampilezan-kevitra natao tamin’ny novambra ny fanomezana ilay « Ha­zavana ho an’ny rehetra ». Manerana an’i Madagasikara ny fidinana ifotony ataon’ny fitondrana. Samy mahazo izany na ny an-tanàn-dehibe na ny any ambanivolo na ny aty an-drenivohitra na […]

Rajoelina Andry : « Fotodrafitrasa manakaiky sy ho an’ny vahoaka »

Nitohy tao Antsiranana ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly. Fitsidihana izay nanolorana ireo fotodrafitrasa naorina ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Nanontrona azy tamin’izany ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Rasata Rafaravavitafita, sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro, Monjavelo Vale­ry, ary ny minisitry ny Filami­nam-bahoaka, CGP Rakotoari­manana Heri­lala. Niaraka ta­min’ny […]

TSELATRA

Tratran’ny zandary ny mpamaky trano iray tao amin’ny fokontany Mandrosoa-Ivato, afakomaly. Niditra tao andavarangana io olon-dratsy io ka tazan’ny mpifanolobodirindrina. Nampandre ny mpitandro filaminana ny nanatri-maso ka noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny io mpamaky trano io. Moto scooter 4T saron’ny zandary natosiky ny olon-dratsy tao Andoharanofotsy, omaly maraina tamin’ny […]