Taratra

Fifandonana nahery vaika : dahalo enina maty voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, ny 20 mey 2024 lasa teo ireo dahalo enina tompon’antoka tamina ra­haraha fakana an-keriny. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, voasambotry ny zandary ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Iaban’ny Lamina. Taorian’ny famotorana nataon’ ny zandary azy dia nanaiky […]

Tsilazaina : ramatoa naratra nove­lesim-badiny angady

Torana tsy nahatsiaro tena ny renim-pianakaviana iray manan-janaka roa novelesim-badiny tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Tsilazaina, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Voalaza fa hasarotam-piaro no nahatonga ity raim-pianakaviana ity nahavita fihetsika mamoafady tamim-badiny. Efa ela no nisy disadisa ny tokantranon’izy mivady noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra ataon’io vadiny io, araka ny fanazavan’ireo […]

Nidaroka sy nandrahona ho faty : miaramila valo naiditra am-ponja

Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny miaramila valo lahy, afakomaly. Notorian’olona noho ny fanaovana herisetra, tetsy Ampahibe izy ireo. Nidaroka sady nandratra olona, miaramila miisa valo nosamborina ka no­tanana vonjimaika eny am-ponja, ny 23 mey teo. Ny alin’ny 19 mey, nikotaba teo ivelan’ny tranon’ny olon-tsotra iray teny Ampahibe ireo miaramila, […]

Atsimo Andrefana : vahaolana ny harena an-kibon’ny tany

Notaterin’ny Banky iraisam-pirenena, ny febroary 2024 teo, fa miisa 24,8 tapitrisa ny Malagasy miaina anaty fahantrana. Vitsy ny asa miforona miohatra amin’ny fitombon’ny mponina. Tsy manara-penitra ny 95,1%-n’ny asa misy. Tena iharan’ny tsy fisian’ ny asa any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nambaran’ i Alban Natsira, mpitantana ny orinasa Yaby Job […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 27 000 ha ny velaran-tany efa voaaro amin’ny andiam-balala, tamin’ny alalan’ny hetsika an-tanety. Voakasik’izany ny any amin’ny distrikan’i Manja, Mahabo, Sakaraha, Ankazoabo, Beroroha, Ikalamavony ary Ambatofinandrahana. Mitotaly 270 000 ha ny velaran-tany mila arovana ka hampiarahana amin’ny fampiasana helikoptera ny eny an-tanety. Nohadihadiana ny fidiram-bolan’ny mpanjono madinika, sy ny […]