Taratra

Fanadinana BEPC: tsara fiomanana ny mpiadina amin’ny adina ara-panatanjahantena

Miatrika ny adina ara-panatanjahantena ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana BEPC, amin’ity herinandro ity. Nizotra tsara ny fanadinana fa ny isan’ny mpiadina no nihena. Taranja facultative ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny BEPC. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ary hifarana rahampitso ny adina ara-panatanjahantena ho an’ ny fanadinana BEPC tontosaina eny amin’ny Kianjan’Ala­robia. […]

Rajoelina Andry: « Laharam-pahamehana ny famerenana ny tany ho an’ny vahoaka »

Tontosa, omaly, ny fidinana ifotony, tao amin’ny distrikan’ Antanifotsy, faritra Vakinanka­ratra, nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Fihainoana ny mararin’ny va­hoaka, fanatanterahana ireo fanamby napetraka ary fitokanana fotodrafitrasa no nandravaka ny fandaharam-potoa­nan’ny fitsidihana. Anisan’ izany ny fizarana karatany sy ny fitokanana ny tobim-pahasalamana ao an-toerana. Ao anatin’ny fanambin’ny fitondram-panjakana, mandritra izao […]

Ambatofinandrahana: misehatra amin’ny fampandrosoana ny FMA

Anisan’ny ezaka tanterahin’ ny Fikambanana mandresy ao Ambatofinandrahana (FMA) ny fampandrosoana ny eny ifotony tao anatin’ny tao maro nijoroany. Anisan’izany ny fa­nomezana rano fisotro ho an’ ireo fokontany any an-toerana. Ny jiro manazava ny tanàna ary koa ny fanohanana eo amin’ny lafiny fahasalamana ireo mponina any amin’ity distrika ity. Ankoatra […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: hisitraka ny tambin-karamany ny sefo fokontany

Mamaha ny olan’ny mpitantana eny ifotony. Anisan’ny fanahapan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha ny hanomezana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany. Nivoitra tamin’izany fa efa fanao ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany sy ireo lefitra amin’ny alalan’ny “Mobile banking” amin’ny ezaka fanovana ny fomba fitantanana. Mbola maro nefa izy ireo […]

Depiote: tsy solom-bavan’antoko

“Olona mijoro ny hoe de­piote, manam-pahendrena, manam-pahalalana, manam-pahasahiana: manaja tsara ny hafa, maneho amim-pahamarinana ny zava-drehetra. Ny antsika, lasa mpanara-drenirano, mivoaka miditra eo, mifanaratsy na manakiana fotsiny, na manaraka fotsiny ny bai­kon’ny antoko politika…”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandi­nika fiarahamonina, Rama­mi­mampionona Gérard, amin’ izao fifidianana izao. Mba tsy ny antoko […]