Nikarakara loabary an-dasy indray ny Tetikasa Taratra, volavolain’ny Kaonferansin’ny eveka ao amin’ny Eglizy Katolika, ny 3 avrily 2024 teo. Noresahana ny fitantanana mahomby ny harena ambanin’ny tany mba hitondra tombontsoa ho an’ny rehetra. Tany Benetsy, kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II, no nanaovana ny fivoriana, mahakasika ny lafiny lalàna mifehy ny […]
Taratra
Fanapahan’ny Ovec : voailikilika ny kandidà roa ao Toamasina I
Tsy anisan’ny mpihazakazaka tamin’ny ora farany. Miisa fito ireo kandidà nandrotsaka antontan-taratasy firotsahana teo anatrehan’ny Ovec, ho an’ i Toamasina, ny alatsinainy teo. Nihena ho dimy anefa izany, omaly, rehefa nivoaka ny lisitr’ireo afaka hifaninana hiady seza roa any an-toerana. Anisan’izany ny kandidà tsy miankina Rajaonary Sylvestre, avy amin’ny fikambanana Coco […]
Tahirimbola FMFP: 42 miliara Ar nanohanana ny orinasa madinika
Niforona ny taona 2019 ny tahiry Famatsiambola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP). Natao hanohanana ny orinasa tena madinika, hanofanana ny mpiasa. Mihoatra ny 77 000 ny mpiasa nahazo fiofanana, ka vehivavy ny 49%, tany amin’ny faritra 26, tao anatin’ny 5 taona. Maherin’ny 42 miliara Ar ny famatsiambola avy amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Ho an’ny taona 2024, mahatratra 700 miliara Ar ny sorabola ilaina amin’ny fanaovam-baksiny. Mandray anjara amin’ny fividianana ny vaksiny mahazatra (BCG, DTCoq, VAR…) ny fanjakana ary manome ny olona hiasa hanao vaksiny. Ankoatra izay, manaparitaka ny vata fampangatsiahana hitehirizana ny vaksiny ihany koa. Hisy fidinany ny maripana ambony indrindra any […]
Fitsaboana maimaimpoana: hiroso amin’ny fandidiana ny Mercy Ships
Efa vita ny fandraisana ny anaran’ireo hotsaboina eo anivon’ilay sambo hopitaly Mercy Ships miantsona ao Toamasina, amin’izao fotoana izao. Hanao ny dingana manaraka izy ireo aorian’izany. Hotanterahina manomboka ny 28 mey izao ny fizahana sy ny fandidiana ho an’ireo marary mila izany raha tsy misy ny fiovana. Efa tokony ho […]




