Taratra

Fiombonana: “Tsy misy ny fahamarinan-toerana politika eto”

“Ahina ny famatsiam-bolan’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha vao miresaka fandikan-dalàna sy fanalana olona voafidim-bahoaka amin’ny fomba tsy ara-drariny, midika izany fa tsy misy ny fahamarinan-toerana politika eto Mada­ga­sikara”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fiparitahan’ny vaovao navoakan’ny Africa Intellingence. Man­ga­taka ny hanoloana ny ambasadaoron’ny Vondrona […]

Sao mikolokolo kolikoly

  Tsy hahomby izay ady amin’ny kolikoly raha tsy ny toe-tsaina no miova, raha ny tenin’ny tomponanandraikitra iray eo anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). Aiza ho aiza izay fiovana sy fanovana toe-tsaina izay? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Tena resy lahatra amin’ny ady atao? Fanetriben’ny firenena ny kolikoly: tsy […]

Adim-poko tany Rwanda: «Miray fo amin’ny vahoaka Rwandais ny Malagasy»

Nanamarika ny faha-30 taonan’ny fahatsiarovana ny ady an-trano tao aminy ny vahoaka Rwandais. Nanatrika izany ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly, tao Kigali. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany. Nanombohana ny hetsika, omaly, tany an-toerana, ny fametrahana ny fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy. […]

TSELATRA

Enin-dahy nahatrarana taratasy hosoka famarotana moto nosamborin’ny zandary teny Ambo­himan­gakely, afakomaly. Mpanao taxi-moto iray lasibatry ny halatra tao Ambatomaro, ny 4 aogositra 2023. Nambanan’ny olon-dratsy sabatra izy ka tsy afa-nanda. Nampandre ny zandary izy. Olona roa naratra, lasan’ny jiolahy ny vola 1 ta­pi­­trisa Ar tao Fiantsonana, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly. Vatan-dehilahy […]