“Ahina ny famatsiam-bolan’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha vao miresaka fandikan-dalàna sy fanalana olona voafidim-bahoaka amin’ny fomba tsy ara-drariny, midika izany fa tsy misy ny fahamarinan-toerana politika eto Madagasikara”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fiparitahan’ny vaovao navoakan’ny Africa Intellingence. Mangataka ny hanoloana ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina (UE) eto Madagasikara ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy noho ny fanehoan-keviny amin’ny raharaham-pirenena eto an-toerana, araka ny voalaza. Ny zava-doza: ny fangatahan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny ny fanalana sy fanoloana ny ambasadaoron’ny UE. Inona ny antony? Satria namaky bantsilana ny tsy fetezan’ny raharaham-pirenena misy eto Madagasikara izy.
“Amin’izao, marina fa efa misy kandidà vitsivitsy nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina. Nefa ny ankamaroany tsy mbola miroso amin’izany. Asa, miandry ny ora farany. Tsy mbola fantatra”, hoy kosa izy momba ny fiatrehana fifidianana depiote. Tsy toy izao ny zava-misy tamin’ny fiatrehana fifidianana solombavambahoaka tamin’ ny taona 2019, fa navitrika tamin’ny fametrahana antontan-taratasy ny kandidà. Milaza izany fa tsy mbola fantatra ny hoavin’ny fifidianana solombavambahoaka. Aza hadinoina fa tsy mbola nandrotsaka izany ny antoko eo amin’ny fitondrana.
R. Nd.




