Taratra

Antenimierampirenena : ny zokiolona no tokony hitantana

“Tsy hitako ao amin’ny fitsipika anatiny ny hoe zokiolona amin’ny filoha lefitra no mpisolo toerana vonjimaika ny filohan’ny Antenimieram­pire­nena fa ny zokiolona amin’ny solombavambahoaka”, hoy ny depiote tsy miankina, i Johasy Eléonore, momba izay hitantana ny Antenimierampirenena amin’ny fahabangan-toeran’ny filoha. Ny And. 9 amin’ny fitsipika anatiny no mamaritra raha misy […]

Minisiteran’ny Fitsarana : mitohy ny fidinana ifotony

Mitohy ny fidinana ifotony ataon’ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fanapariahana sy fanazavana lalàna eny anivon’ny kaominina. Ny kaominina Bemasoandro Itaosy, Anta­nanarivo Atsimondrano, indray no nisitraka izany, afakomaly. Lohahevitra efatra no niompanan’ny fihaonana mivantana tamin’ny vahoaka ifotony tamin’izany. Eo ny lalàna momba ny fananan-tany, ny fandovana sy ny sora-piankohonana […]

Fitangosana “Ticket” amin’ny mpivarotra: notorian-dRavololomanana Lalatiana ny CUA

Fiverenan-dalana any amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly ? Hitory ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, eny amin’ ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny mpanolotsain’ny tanàna, Ravololomanana Lalatiana. Nambarany ho anton’izao fitoriana napetrany izao ny nanafoanan’ny CUA ny fampiasan’ny mpivarotra ny karatra biometrika amin’ny alalan’ny “Digitalisation”. Fanatsarana ny fitantanana nentin’ny ben’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Manodidina ny 2 tapitrisa isan-taona ny arina lanin’ny mponina eto Antananarivo. Miantraika amin’ny tontolo iainana sy mampihena ny harena anaty ala ny fitrandrahana izany. Vahaolana ny fampiasana ny arina ekolojika noho izy mampihena ny fitrandrahana ala sy ny vola mivoaka. Mitentina 2 265,76 dolara izao ny vidin’ny once-n’ny volamena, izany hoe, […]