Taratra

Matsiatra Ambony : hampiroboroboana ny lalam-pihariana lohamenaka

Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, izay tohanan’ny fandraharanasa CLIM-INVEST sy ny Vondrona Eoropeanina. Nisy, araka izany, ny dinika niarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina niresahana ny sehatry ny lohamenaka. Nivoitra nandritra izay ny drafitrasa […]

Mena miraviravy!

  Mbola ho ela vao ho tapitra ny fotoana hametrahana ny fahazoan-dalana hilatsaka hofidina depiote. Asa nahomby ny fampiakarana ilay anto-bola ho 20 tapitrisa Ariary. Hatramin’ny omaly, mbola tsy nisy ny nametraka ny antontan-taratasy eny amin’ny ankamaroan’ny birao fandraisana izany. Tsy marisika sa tsy manam-bola? Toa mifampatahotra ireto mpanao politika. […]

Fandraharahana : sakana ny fivoaran’ny toekarena sy ny olan’ny delestazy

Vato misakana ho an’ny tontolon’ny fandraharahana ny fisian’ny delestazy sy ny lafiny ara-toekaren’i Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Mahatratra 86,9% ireo orinasa nametraka ahiahy amin’ny fandrosoan’ny toekarena eto amintsika. Nilaza izy ireo fa miantraika amin’ny fihodinan’ny orinasany izany. 61,8% kosa nilaza fa sakana amin’ny fampiroboroboana ny […]

TSELATRA

Nidina an-dalambe naneho ny tsy fahafaliany noho ny fahatapahan-drano miseholany ny mponina teny Ankatso sy ny manodidina, omaly maraina. Naharitra antsasak’adiny mahery ny fitokonana nataon’izy ireo. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny raharaha ny polisim-pirenena izay nihatrana teny an-toerana. Taolam-paty 23 gony saron’ny fokonolona tao Ampatalana-Maheriraty, Farafangana, ny alin’ny 1 avrily […]

Morondava : mpanao gazety efatra tra-doza

Nentina niakatra eto an-dRenivohitra nampanarahina fitsaboana ny iray tamin’ireo mpanao gazety efatra niharan-doza tao Morondava, omaly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Tra-doza nandritra ny fitsenana ny filohan’ny Antenimierandoholona tany an-toerana, omaly, ny fiaran’ny polisim-pirenena iray. Nitaingina io fiara io anefa ireo mpanao gazety ireo. Tsy tafavily tamin’ny fihodinana mihazo […]