Tontosa ny zoma 28 marsa teo, tetsy amin’ ny efitrano fivorian’ny Lapan’ny prefektiora Mangarano, ny fivoariambe na loabary an-dasy notarihin’ny governoram-paritra Rafidison Richard Théodore. Natrehin’ ny hery velona rehetra eo amin’ny tanàna. Nivoitra tamin’izany ny anton’ny fahatsentsenan’ny tatatra. Nivoitra tamin’izany ny antony mahatonga ny fiangonan-drano sy fahatsentsenan’ny lakandrano sy tatatra any Toamasina sy […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Niantso ny rehetra tsy hiraviravy tanana ny eo anivon’ny FFKM, tamin’ny hafatra Paka. “Raiso ho hery sy fanantenana vaovao ho antsika, iatrehana ny ankehitriny, fa velona i Jesoa”, hoy izy ireo. Nentaniny ny kristianina sy ny vahoaka mba hizara aina vaovao, handrava ny sarintsarim-pahafatesana mbola iveloman’ny maro. Kandidàn’ny APM Firaisankina […]
Vovonana Ifi : “Aoka ho matotra ny fanaovana politika”
“Aoka mba ho matotra amin’izay ny fanaovana politika eto Madagasikara: rehefa mpanohitra dia mpanohitra, rehefa mpomba dia mpomba. Fa tsy hoe sady mpomba no misabaka”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor. Teniny nanoloana ny fanalana ny filohan’ny Antenimierampirenena teo […]
Mamono lolo
Mahasanganehana ny zava-misy any ambanivohitra rehetra any, ankehitriny. Manjaka ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Ny mpitandro filaminana indray sanatrian’ny vava no atody miady amam-bato. Sodokan’ny ranty an-tanàn-dehibe Ramalagasy. Fiara tsy mataho-dalana am-polony, kamiaobe tsy tambo isaina no mifanaretsaka rehefa misy seho iray. […]
TSELATRA
Mpamaky trano iray voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohidray, kaominina Ambohimalaza, omaly. Nahatrarana fahitalavitra, bodofotsy hatramin’ny fitaovana fampiasana manao io asa ratsy io teny amin’io jiolahy io. Nohazonin’ny zandary hatao famotorana izy. Mpangarom-paosy 11 voasambotry ny zandarimaria miasa ao Talatamaty, nandritra ny fankalazana ny alatsinain’ny paka teo. Tratra teny […]




