Taratra

Fidinana ifotony: miezaka manakaiky vahoaka ny Tim

Mazava ny toromarika. Ankoatra ny fanentanana ny olom-pirenena hanatona fokontany amin’ny fanavao­zana ny lisitry ny mpifidy, midina ifotony koa ireo mpikambana Tim. Anisan’izany ny eo anivon’ny boriborintany III, Antananarivo Renivohitra. Nanadio ny lakandrano etsy Ankorondrano Atsinanana izy ireo, omaly ary mbola hitohy izany. Nanampy sy nanohana izany ny depiote voafidy […]

Fiatrehana fifidianana: mbola mifampiandry ireo ho kandidà filohan’ny Repoblika

Hatramin’izao, iray no nanambara ampahibemaso fa ho kandidà filohan’ny Repoblika. Mifampiandry ireo mpanao politika? Na miandry ny fotoana farany… Mba mivoaka ahay ny tetiandrom-pifidianana. Paipaika sy kajikajy politika avokoa izany. Eo, ohatra, ny manantena ny mety hisian’ny fi­kaonandoham-pire­nena. Mety hanova zavatra betsaka izay? Tsy mitsahatra miketriketrika ny hisian’izany ny sasany. […]

Mba tia tanindrazana

Vita izay ny fetibe « Barea ». Miverina amin’ny roto­rotom-piainana ny vahoaka malagasy. Ady sy tolona ilay vidim-piainana. Efa tafakatra 3500 Ar ny kilaom-bary, voatabia iray aza moa vidiana 500 Ar ! Santionany ireo fa mila mijery akaiky ny zava-misy isika mianakavy. Tsy hiandrasana ny mpitondra fanjakana, izay sahirana amin’ny tontolo politika hatramin’izao. […]

Mihantsy zandary : jiolahy voatifitra tao an-dakazerina

Manafika any an-dakazerina ny jiolahy, ankehitriny. Ny zandary manao fisafoana any ivelany, miaro vahoaka. Ny tokantranony anefa hanaovan-dry zalahy tantely afa-drakotra. Mangarom-biby an-davaka! Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana ny jiolahy na­maky tranona zandary iray tao anatin’ny toby “Gallieni” Toamasina, afakomaly. Tany am-panatontosana ny asany, nanao fisafoana, ny mpitandro filaminana iray […]