Taratra

Rakotondrazafy Lalatiana : “Tsy misy fepetra ny fanalana depiote”

“Tsy misy fepetra manokana ny And. 72 amin’ny Lalàmpanorenana, natao ho an’ny mpikamban’ny birao maharitra na ho an’ny filohan’ny Antenimierampirenena”, hoy ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Rakoton­drazafy Lalatiana, tamin’ny faramparan’ny herinandro teo, ny amin’ny fangatahan’ny vondrona IRD ny fanalana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tsy ho depiote intsony. Rehefa […]

Ratsietison Jean-Jacques : “Andeha hiaro ny safidy tsy hisian’ny hosoka”

“Andeha isika hiaraka hiaro ny safidintsika mba tsy hisian’ny hosoka amin’ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny antoko Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy (FMI-Ma) mpikamban’ny vondrona Kôle­k­tifa an’ny Malagasy, Ratsie­tison Jean-Jacques, momba ny fiatrehana ny fifidianana depiote. Raha mbola adalain’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny tena: iza no hanasazy ny […]

HCDDED: mampihatra ny politikam-pitsitsiana

Hahena ny isan’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Filan­kevitra ambony ho an’ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), araka ny fampitam-baovao iray eo anivon’ ity rafi-panjakana ity. “Tafiditra amin’ny politikam-pitsitsiana ny fampihenana ny isan’ireo mpiasa. Anisan’izany ireo mpanolotsaina teknika sy ny misahana ny iraka, “Conseillers technique sy Chargés de mission) eto anivon’ity […]

INDRAY MIJERY

Nanome toky ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa miasa andro aman’alina ny ekipa mpikirakira ny vatsim-pianarana, hanenjehina ny famoahana izany amin’ny tetiandro efa napetraka. Ezahina ho voahaja ny 24 aprily, hizarana izany. Heverina hitondra fahombiazana amin’ny tetikasa andrana atao amin’ny kilasy T2 […]

Lions Club: hijery ifotony ny asa atao ny filoha Brian Sheehan

Tonga eto Madagasikara ny filohan’ny fikambanana Lions Club International Foun­dation (LCIF), Brian Sheehan, sy Rtoa Lori, vadiny. Asa sosialy tena hataon’ny Lions Club Madagasikara, distrika 417, ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana, ny tontolo iainana ary ny hanoanana. Toy ny fitiliana ny areti-maso katarakta sy ny fizarana solomaso, ny diabeta, ny […]