Taratra

Fiovaovan’ny toetr’andro: ankizy 45 tapitrisa mizaka ny vokany

Iharan’ny vokatry ny hafanana sy ny haintany ny firenena maro aty Afrika, atsimo sy atsimo atsinanana, izay vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Ankizy 45 tapitrisa no mizaka ny vokatr’izany, toy ny valanaretina kolera, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tondradrano …, araka ny fanambaran’ny Unicef momba ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka nanaovany […]

Orinasa Star: hetsika tontolo iainana sy fahasalamana tany Antsirabe

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, misy ny andraikitra sosialy raisiny eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Hetsika roa no nataony tany Antsirabe, nandritra ny fetin’ny Paka, ny faran’ny herinandro teo, ny 27, 28 ary ny 30 marsa, nifanandrify tamin’ny hetsika ara-kolontsaina sy toekarena, ny Star Tour, fa­nao isan-taona any an-toerana. […]

Diana: hisokatra amin’ny 8 avrily ny jono horita

Natao tany Antsiranana, ny 27 marsa teo, ny fivoriana fanomanana ny fisokafan’ny jono horita any amin’ny ilany atsinanana, ao amin’ny faritra Diana sy Sava. Nanatrika tao ny komity misehatra amin’ny seha-pihariana horita any amin’ny ilany atsinanan’Antsira­nana sy ny solontena any amin’ny faritra Sava. Tapaka nandritra ny fihaonana fa hisokatra amin’ny […]

Tetikasa « Gracir »: fiatrehana ny ambana amin’ny fambolena

Anisan’ny mizaka ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Hisy ny tetikasa hovolavolaina hitantanana ny ambana ara-pambolena mba hisin’ny fampandrosoana sy fahafahana miatrika azy eto amintsika (Gracir). Haroso any amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (Badea) ny tetikasa, hikarohana famatsiam-bola. Haharitra 8 taona ny hanatanterahina ny tetikasa, ahitana […]

Famokarana menaka Anjozorobe: tafapetraka ny milina hanodina voanjo sy soja

Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny indostria ifotony ataon’ny fitondram-panjakana. Nisitraka ozinina hanodina voanjo sy soja ny distrikan’Anjozorobe amin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy. Afaka manodina voanjo sy soja hatramin’ny 500 kilao isan’ora ka hamokatra menaka 300 litatra isan’ora ny ozinina. Tanjona, araka izany, ny hamatsian’ity orinasa ity menaka an’Antananarivo ma­non­tolo sy ny […]