Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Mpamboly miisa 137 ao Moramanga no nahazo tohana avy amin’ny orinasa Ambatovy. Avy amin’ny fikambanan’ny tantsaha am-polony izy ireo, nahazo sakamalaho 9 000 fototra sy solofon’akondro miisa 5 000 ary zezika. Tantsaha avy any amin’ny distrika Moramanga, izay tena mamokatra sakamalaho izy ireo, indrindra any Andasibe, Ambatovola ary Beforona. Nomena […]

Hatsaran’ny tolotra: nahazo ny ISO 9001 ny CT Motors

Manome ny tolotra tsara mahafa-po ny mpanjifa ny orinasa CT Motors. Noho ny fanajany ny fenitra ambony izany, azon’ity orinasa misehatra amin’ny fivarotana fiarakodia, moto, sy ny vokatra isan-tsokajiny ity, ny mari-pahalalana iraisam-pirenena ISO 9001. Hampitombo ny fitsinjovana ny filan’ny mpanjifa ny fahazoana ity mari-pahalalana ity. Hanamafisana ny fahatokisan’ny mpiasa […]

Vokatry ny rivodoza Gamane: Maika ny fanarenana ny simba

Nijery ny zava-misy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane, tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, ny filoha Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Maika ny fanarenana ny simba, indrindra ny hamerenana ny fifamoivoizana. Anisan’ny tena voa mafy vokatry ny rivodoza Gamane, ny herinandro teo, ny tapany avaratry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Manameloka ny famonoana ho faty ny mpisolovava, Rasamoelinirina Zakanarivo Andry, any Nosy Be ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, araka ny fanambarany. “Enjehin’ny lalàna manan-kery ny famonoana olona. Mihatra ho an’ireo meloka ny lalàna koa mandray ny andraikiny avy hatrany ny fitsarana”, hoy izy. Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo, […]