Manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’izany ny depiote frantsay, i Bruno Fuchs. Nanontany sy nangataka ny andraikitra raisin’ny governemanta frantsay, amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady misahana an’i Eoropa ny tenany. Anisan’izany ny mety ho paikady hapetrak’i Frantsa ahafahana manao fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra […]
Taratra
Filoha Rajoelina any Dakar… Nandroso vahaolana momba ny fambolena
Tanterahina any Dakar Sénégal, nanomboka omaly, ny fihaonana an-tampony, momba ny fambolena sy ny fanodinana voka-pambolena. Atrehin’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta afrikanina izany ary iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina (UA) sy ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Anisan’ireo voaasa manokana amin’izany fivoriana izany, amin’ny maha tompon dakan’ny fanjarian-tsakafo azy aty […]
Ramamimampionona Gérard… “Tokony hifampitantana ny fiangonana sy ny fanjakana”
Nahabe resaka sy adihevitra ny amin’ny asan’ny fiangonana sy ny asan’ny fanjakana. Mifamono? Na mifameno… Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Mila atodika amin’izay fiezahana hifampitantana toy ny mpirahalahy mianala izay ny fiangonana sy ny fanjakana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fiarahamonina amin’izao ankatoky ny […]
Fifidianana… Mila antoka ny fanatanterahana
Hisy fifidianana ihany amin’ity taona ity? Ny fisian’ny vola enti-manana no nahabe resaka ny mpanao politika sasany talohaloha teo, indrindra ny mpanohitra. Na izany aza, efa nanome toky, ohatra, ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa homena ny Ceni ny vola hoenti-manatontosa izany. Tsy mitsaha-manome toky koa ny […]
Loholona Tsiebo M. : “Ilaina ny fitoniana…”
“Efa 20 taona lasa ny 2002. Amin’izao 2023 izao, fitoniana sy fandrosoana no tadiavin’ny vahoaka malagasy. Isaorana ry zareo manana finiavana handray anjara amin’ny fifidianana”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard. Efa manomana ny toe-tsain’ny vahoaka ry zareo mpanohitra. Efa fantany fa ho resy izy ka hanakorontana sy hitarika olona […]