Ratsy ny lalana mampitohy ny tampon-tanànan’i Soavinandriana sy ny kaominina Mananasy, tato anatin’ny 25 taona. Faritra mamokatra nefa ny any Mananasy. Sakana ho an’ny toekarena, araka izany, ny haratsian-dalana. Nandray andraikitra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, hampiroboroboana ny toekarena, amin’ny alalan’ny tetikasa “Casef”, hanarenana ny lalana Soavinandriana-Mananasy, mirefy 12 […]
Taratra
Fitrandrahana volamena: Sorohina ny fampiasana merkiora
Nanao sonia fifanarahana maro i Madagasikara hitsinjovana ny tontolo iainana sy ny fanajana ary ny fahasalamana. Nandray anjara tamin’ny fifanarahan’i Minamata, any Japana, ny governemanta malagasy, ny 10 oktobra 2013, ary nankatoavina ny 13 mey 2015. Voarakitra ao ny fiarovana ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana, ny fiantraikany ratsy […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny « Fandiovana » sy « Saotra », hatao any amin’ny Lapa valo sy fihasignana 12, any Ambohinatao, Ambohimiarinkova Iharagnarivo, kaominina Sahave, distrikan’Ambohimasoa. Ny zoma 22 marsa izao no daty voatondro ho an’ity fomba nentim-paharazana ity, any an-toerana. Olona maro no manatrika izany isan-taona, ka misy ireo avy monina lavitra no manokana fotoana […]
Literatiora am-bava: miha miverina ny hasin’ny teatra malagasy
Anisan’ny mankalaza ny Iray volan’ny teatra isika eto Madagasikara. Maro ireo ivontoeran’ny kolontsaina no mampiantrano sy manatanteraka izany. Anisan’izany ny eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, amin’ny alalan’ny « Festival Temps Fort Théâtre ». Maro ny hetsika saingy tokana ihany ny tanjona dia ny hamerenana ny hasina sy ny maha […]
Fanamarihana andro maneran-tany: hampiarahina ny « Fetin’ny angano sy ny poezia »
Misy hatrany ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny angano sy poezia, isan-taona. Hiavaka kokoa satria hatambatra ny fankalazana amin’ity, ary manerana an’ i Madagasikara izany. Andro maneran-tany ho an’ny angano ny 20 marsa. Andro maneran-tany ho an’ny poezia kosa ny 21 marsa. Roa andro misesy, natokan’ny Unesco hanandratana ny literatiora. […]




