Taratra

Sakaraha: taksiborosy tratra nitondra zanaka baobab

Nangina ny sokatra! Fiara taksiborosy Sprinter an’ny kaoperativa iray miasa eny Fasanikarana no tratra nitondra zanaka baobab tao Sakaraha, omaly. Tao Ankatsakatsa, fokontany/ kaominina Sakaraha, distrikan’i Sakaraha, Pk 796+200, no tratra ity fiara fitateram-bahoaka ity. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha ny zandary momba ny fisian’ity taksiborosy mitondra hazo arovana ity. Anisan’ireo […]

Mahitsy: tratra ny jiolahy mpamaky trano

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maevatanana teny Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly, ny jiolahy tompon’antoka tamina halatra niharo vaky trano tao Ambodimadiro Maevatanana, ny sabotsy teo. Nitrangana halatra tao amina tokantrano iray ao Ambodimadiro, ny 11 febroary 2024 lasa teo. Very tamin’izany ny ordinatera niaraka tamin’ny finday sy kojakoja […]

Nampijalian-drainy: zazamenavava namoy ny ainy

Namoy ny ainy tsy fidiny noho ny herisetra nataon-drainy ny zazamenavava iray. Feno mangana ny vatany tamin’ny fotoana nahafatesany. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Nosy Be Hell Ville, afakomaly, ilay raim-pianakaviana nahavita fihetsika mamoafady tamin’ny zanany naterany. Vao teraka telo herinandro ilay zaza niharan’ny herisetra. Niafara tamin’ny fahafatesany […]

Fifamoivoizana : vita ny lalana Fasankarana

Efa nisokatra ho an’ny mpampiasa lalana, nanomboka ny fiandohan’ny volana marsa teo, ny andaniny sy ny ankilany amin’ny lalam-pirenena RNT58, na lalana Rabetafika. Mampitohy an’ Anka­dimbahoaka mandalo ny Fasankarana, hatreny amin’ny Jovena Anosizato ity lalana ity. Vita tanteraka ny fanarenana azy amin’izao fotoana izao, izay efa tena nampitaraina ny mpampiasa […]

Governemanta : tapitra ny fambolen-kazo eto afovoantany

Niara-nientana namboly hazo ny mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny sabotsy 16 marsa teo. Natao teny amin’ny fokontany Ambohimahavelona, kaominina Talata Volonondry, distrika Avaradrano, ny hetsika entina hiarovana ny tanimbary tsy ho kaohin’ny riaka. Misy fifanarahana eo amin’ny primatiora amin’ny kaominina sy ny fokontany, hikarakarana sy […]