Nodimandry omaly, teto Antananarivo, ny mpandrindra ny Antoko MMM, miandraikitra ny faritra Amoron’i Mania, ny maître Maminirina Josoa Eugène. Efa lehiben’ny Faritra tany an-toerana, nandritra ny fitondrana tetezamita, ny taona 2009 hatramin’ny 2013 izy. Higadona anio maraina any Ambositra ny vatana mangatsiakany. Anisan’ireo kandidà ho filohan’ny vaomieran’ ny Vondrona Afrikanina […]
Taratra
kandida depiote: matevina ny dosie homaniny
Alaina eny amin’ny CED na amin’ny “Site” an’ny Ceni ireo taratasy hofenoin’ny kandidà depiote. Eo ny fanambarana firotsahan-kofidiana sy sonia voamarina. Fanambarana fiarahana hilatsaka hofidina, ho an’ireo distrika misy toerana roa. Sora-piankohonana lava, na CIN voamarina. Fanamarinana maha malagasy latsaky ny enim-bolana sy ny fanamarinana fa mbola tsy nisazy – […]
Hangotraka ny raharaha !
Vaovao iray nandrasana, omaly, ny mahakasika ilay vovonana goavam-be, iraisan’ny mpanohana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Vovonana mamory vovonana iraisan’ny fikambanana marobe, voalaza fa manohana fitondrana. Naharitra ela ny fiandrasana an’Ambatobevohoka. Tsy nisy indray aloha ny anaran’izay olona hisafidianana amin’ny 29 mey ho avy izao. Vao ny ranon-dohany indray […]
IRMAR : handrotsaka kandidà tokana amin’ny fifidianana depiote
Tapaka fa ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRMAR) no rafitra ofisialy, hoentin’ny kandidà mpanohana ny fitondrana. Nampahafantarina, omaly izany. Notanterahina omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy, ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRMAR). Vovonana ivondronan’ireo fikambanana, vonona, hiara-dia sy hiray vina […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja vonjimaika ilay jiolahy tratran’ny polisy teny Ambohitrarahaba. Malaza ratsy amin’ny fanendahana miharo vonoan’olona amin’iny faritra Avaradrano iny ity jiolahy ity ka nahatonga ny polisy nanao hetsika mba hahafahana misambotra azy. Lehilahy iray handeha hody no nifanehatra taminy. Renim-pianakaviana iray nendahin’ny mpanera amin’ireny taxi-be ireny, teny Anosibe, omaly. Mody […]




