Hivondrona anaty fikambanana ny sefo fokontany any amin’ny kaominina efatra ao anatin’ny distrika Toliara II. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa, iatrehana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ary indrindra ny hisian’ny fampandrosoana ara-toekarena mba hisian’ny asa ho an’ny mponina. Nanao fivoriambe ny lehiben’ny fokontany sy ny lefiny, miisa 70 ao amin’ny […]
Taratra
Fanendrena tale : novana ny an’ny HJRA, HJRB, CHU Andohatapenaka
Nisongadina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanendrena ireo tompon’andraikitra voalohany hitantana indray ireo hopitaly lehibe eto Antananarivo. Anisan’izany ny HJRA, HJRB ary ny hopitaly manara-penitra etsy Andohatapenaka. Notendrena tamin’izany Ramarolahy Andriatiaray Rija Niaina, hitantana ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) etsy Ampefiloha. Mpitantana vaovao […]
«Mutuelle de santé»: hanaovana andrana ny Cisco telo
Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hatao andrana amin’ny fametrahana ny «Mutuelle de santé» izay fisitrahana tohana ara-pahasalana ho an’ny mpampianatra ny ao amin’ny Cisco Analamanga sy Fianarantsoa ary Befandriana Avaratra. Hanomboka amin’ity volana janoary ity izany andrana izany ary hotombanana any amin’ny volana jona. Rehefa hita […]
Rivodoza Cheneso : ho levona rahampitso na alahady
Niditra an-tanety tao avaratr’Antalaha, omaly tamin’ ny 11 ora latsaka fahefany teo, ilay rivodoza Cheneso. Mikisaka mianatsimo andrefana ny diany ka nahafaka 15 km isan’ ora. 90 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 120 km isan’ora. Mbola mety hiteraka fahasimban’ny toeram-ponenana sy ireo fotodrafitrasa marefo hatrany izany tafiotra izany […]
Ankizy tsy hita popoka: nandravarava i Cheneso
Nahita faisana ny faritra nolalovan’ilay rivodoza Cheneso, omaly. Dibo-drano ny tanàna. Nisy ny ankizy folo taona tsy hita popoka, maro ny fotodrafitrasa rava. Zazalahikely 10 taona no tsy hita popoka tamin’ ireo telo nandeha niandriaka, omaly, tany amin’ny faritra Diana na efa nisy aza ny toromarika avy amin’ny sampana mpamantatra […]