Taratra

Fahavitan-tena ara-tsakafo : fianakaviana 1000 000 kendrena amin’ny Teknika Pfumvudza 

Nitsidika ny saha filamatra eny Ambatolampy Tsimahafotsy, hampiharana ny fomba fambolena Pfumvudza, ny filoha, Rajoelina Andry, omaly maraina. Fianakaviana 1000000 no kendrena hisitraka ny fiofanana anatin’ny roa taona. Tafiditra anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana, amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia mampihatra ny teknikam-pambolena Pfumvudza i Madagasikara. Nisy mpiofana ho mpampiofana miisa 30 nalefa tany […]

INDRAY MIJERY

Miisa 27 ireo Cisco nampiofanana ireo mpampiofana mahakasika ny «pratique de cours de remédiation». Tanjona ny hanatsarana ny taham-pisondrotana kilasy eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra sy ho fampirisihana ary fampandraisana andraikitra amin’ireo ambaratongam-pitantanana eny amin’ny sekoly. Nisy ny hetsika fandidiana hernie maimaimpoana notanterahin’ny CHU HJRA, ny herinandro teo. 16 ireo […]

Filatsahana an-tsitrapo: nanao tatitra ireo japoney avy amin’ny Jica

Noraisin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ireo japoney mpilatsaka an-tsitrapo nahavita ny asany nandritra ny 2 taona, teny amin’ny oniversiten’Itasy, Soavinan­driana. Manampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eny amin’ny anjerimanontolo ny fiaraha-miasa amin’ny Jica, amin’ny alalan’izy ireo. Anisan’ny tonga nanao tatitra ny asa vitany i Take­haru […]

Toliara: hofanina arakasa ireo voafonja

Ny faran’ny herinandro teo, nijery ny zava-misy iainan’ny voafonja ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nambarany tamin’izany, fa tsy maintsy hampitomboina ny fanofanana ny voafonja any an-toerana. Tanjona ny hanamafisana ny fanarenana ny fiainan’izy ireo aorian’ny famitany ny saziny. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana dia […]