Taratra

“Trail Ibity”: Hanangonam-bola ho an’ny ankizy tsy ampy sakafo

Hotanterahina ny alahady 7 avrily ho avy izao, ny andiany fahavalo amin’ny “Trail Ibity”. Fifaninanana karakarain’ny Association Antenna Madagascar ao Ibity, izay miahy ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Araka izany, hampiantrano ity hetsika ity ny faritra Vakinankaratra. Hia­vaka amin’ireo andiany teo aloha ity satria mitondra fana­tsarana hatrany ny mpikarakara. […]

Fanomanana ny « Top 12 »: misongadina ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray

Notontosaina teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, omaly, ny lalao fanomanana ny fifaninanana nasionaly “Top 12”, taranja rugby. Nisongadina tamin’izany ny fandresena azon’ny Cosfa miaramila sy ny FTM Man­jakaray. Ny mpilalaon’i Man­jakaray, nandresy ny TFMA Ankasina tamin’ny isa 33 no ho 28 ary ny Cosfa miaramila, nandavo ny TFA Anatihazo, tamin’ny […]

DAKA AN-JORONY: Fanehoan-kevitra kanosa

Toa toe-javatra efa mahazatra ny sofin’ny mpitia fanatanjahantena sy ny mpanara-baovao ny maheno fanontaniana sy baraingo, amin’ny fifantenana izay ho ao anaty ekipam-pirenena. Tsy maintsy mipetraka foana ny hoe: Fa nahoana? Fa maninona?, aorian’ny famoahan’ny mpanazatra ny lisitra farany. Filazana ambadika fa misy zavatra maizimaizina ny amin’ireo anaran’izay voafantina. Tsy […]

“Youzou Smatchin Orange” : Tompondaka ny IUM sy ny U-Magis

Nifarana omaly 17 marsa, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany faha-10 “Youzou Smatchin Orange”, taranja basikety ho an’ny Oniversite. Voahosotra ho tompondaka ny IUM sy ny U-Magis. Tafavoaka ho tompondaka tao anatin’ny ekipa 20, sokajy vehivavy, ny ekipan’ny IUM, rehefa nahazo ny fandresena 49 no ho 46 nanoloana ny […]

Sombim-baovao

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fifaninanana “Tama Beach Volley”. Norombahin’ny ekipan’Analamanga ny amboara teo amin’ny sokajy Seniors. Ekipan’Atsinanana kosa no nandrombaka teo amin’ny sokajy U20, lehilahy. Niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Echecs olon-tokana, ny faran’ny herinandro teo, any Ghana, Rakotomaharo Fy sy Aina Tsinjoviniavo. […]