Olona sivy mpiasan’ny Jirama no indray naratra vokatry ny fivadihan’ny lamasinina iray tao akaikin’Andasibe, PK 206, ny sabotsy teo. Fiarandalamby mampitohy an’Andasibe sy Andekaleka ity tra-doza tampoka ity. Nitondra ireo mpiasan’ny Jirama hiasa ity lamasinina ity kanjo izao nivadika teny am-pandehana izao. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Reseveran’ny Paositra roa […]
Taratra
Cocaïne : amidy 4 500 euros ny iray kilao
Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Nosy Be, ny sabotsy teo, ny teratany maorisianina iray sy Malagasy enina, voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana zava-mahadomelina mahery vaika antsoina hoe «haschich» (zava-mahadomelina mahery vaika iray karazana amin’ny cocaïne). Saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Diego Hely Dzamanjar, Nosy Be, ny zoma, ity tambajotrana […]
Tsarasaotra: fiara nivadika, olona iray maty
Namono olona indray ny lalam-baovao Tsarasaotra Ivato, ny sabotsy teo. Roa lahy nandeha fiara Golf iray no tra-doza tampoka rehefa nitrongy andrin-jiro. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Sodokan’ny hatsaran’ny lalana ny mpamily ka nandeha mafy. Tsy nahafehy ny familiana […]
Avy namita iraka: zandary efatra maty an-drano
Namoy ny ainy am-perinasa ny zandary efa-dahy, ny faran’ny herinandro teo. Maty an-drano teny am-pamitana iraka izy ireo. Misaona ny zandarimariam-pirenena. Maty am-perinasa, natelin’ny rano teny am-pamitana iraka ny zandary efa-dahy. Miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Soakibany, ao amin’ny tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsimo Atsinanana ny telo lahy : Zandary kilasy voalohany Zafindramara Tris, […]
Rugby: hifampitana ny TFMA sy ny FTM Manjakaray
Ho fanomanan’ireo fileovana rehetra ny taom-pilalaovana (Top 12), taranja rugby, hisy ny lalao fihantsiana hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Anisan’ ny lalao hangotraka ny fifandonan’ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Donan’ny samy kartie izany ary hiendrika famaranana kely. Raha ara-taratasy, manantombo ry zareo […]




