Niompana tamin’ny ezaka hanatomombanana ny fampisakafoana an-tsekoly ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny ekipa avy amin’ny Fandaharanasam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (PAM). Nodinihina tamin’izany ny famatsiana sy ny fampitaovana ny fampisakafoana an-tsekoly ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana. Teo koa ny fampiofanana ireo tomponandraikitra amin’ny fitantanana izany, fanomezana sakafo […]
Taratra
Fampianarana teknika : Hizara fifanarahana arakasa 400
Tamin’ny “poste budgétaire” (fahafahana mampiditra mpiasa) 1 000 anjaran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho an’ny taona 2022, araka ny naoty nivoaka ny 14 oktobra 2022. Ny toerana 400 tamin’ireo, nandraisana ho mpiasam-panjakana ireo vacataires efa mpiasa teo anivon’ny minisitera ary ny 600 ambiny kosa nampidirana mpiasa vaovao. […]
Fisitrahana rano : nanolotra tobin-drano iray ho an’ny Epp Ambatobe ny Fondation HV
Olana matetika eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra Ambatobe ny fahatapahan-drano. Anisan’ny nanampy betsaka azy ireo ny tolotra tobin-drano avy amin’ny fondation HV. Nanolotra tobin-drano iray ho an’ny Epp Ambatobe sy ny mpianatra ao aminy ny Fondation HV. Notokanana omaly, teny an-toerana, natrehin’ny tomponandraikitry ny fikambanana sy ny mpianatra ary ny teo anivon’ny sekoly izany. […]
INDRAY MIJERY
Misy fiforonana orana tandrifin-drahona any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, omaly sy anio. Hitohy hatrany ny orana malefaka amin’ny faritra avaratra atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Ho maina kosa ny andro any amin’ny faritra sisa. Tetikasa iarahan’ny Nifin’Akanga, ny Coalition des radios ary ny tambajotra Mihari manatanteraka ny Fagnoro Vavy. Haharitra […]
Kaominina Ivato: Vita ny lalankely, voazara ireo karatany
Marolafy ny fotodrafitrasa notokanana tao amin’ny kaominina Ivato, omaly, notarihin’ny ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Penjy. Vita ireo lalana any anelakela-trano izay tena nampijaly ny vahoaka. Navadika ho beton ireo tetezan-kazo fiampitana ary nipaka hatreny an-tanimbary ny fanamboarana hialana amin’ny fianjeran’ireo mpianatra mamonjy sekoly eny amin’ireo fokontany voakasik’izany. Tetsy andaniny, nohavaozina ihany […]




