Fifaninanana ny taranja matematika karakarain’ny Unicef, ny Banky iraisam-pirenena, ny Uzreport Tv, ireo oniversite sy ny vondrom-panabeazana any ivelany ny “Tashkent International Mathematics Olympiad” (TASIMO). Tanjona ny hanamafisana ny fitiavana ity taranja ity, handrisihana ireo mpianatra amin’ny fikarohana vahaolana. Manam-pahaizana maro no hanatanteraka ny fifantenana, izay ho tanterahina amin’ny fampitan-davitra. […]
Taratra
Itasy sy Analanjirofo : hotokanana ny oniversite manara-penitra
Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fahavitan’ny oniversitem-paritra ao Itasy sy Analanjirofo. Hisantarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanafarana ireo mpampianatra avy any ivelany ireo oniversite roa vaovao hisokatra ireo, raha ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ahitana sampam-pianarana vaovao hosokafana hahafahan’ny tanora mandranto fianarana momba ny fizahantany, ny siansa […]
Fahasalaman’ny saina : miady amin’ny fanilikilihana ny Hifali
Miasa eto Antananarivo sy any Mahajanga ny tetikasa Hifali (Hetsika iombonana ho an’ny fahasalaman’ny saina sy ny lamina ifotony) andiany faharoa, miaraka amin’ny Humanité & Inclusion misehatra. Tetikasa iray miady amin’ny fanilikilihana sy ny fanohanana ara-tsaina sy ara-batana ireo olona tratran’ ny androbe sy ny fianakaviany, miaraka amin’ireo olona manana […]
Fampianarana teny japoney : diplaoma iraisam-pirenena ny JLPT
Indroa isan-taona ny fitsapam-pahaizana miteny japoney, amin’ny alalan’ny JLPT, atao eto Madagasikara. Efa mahaliana tanora maro io tenim-pirenena vahiny io. Nitondra fanazavana mahakasika ny fampianarana teny japoney na ny Japanese Language Proficiency Test eto Madagasikara (JLPT) ny masoivoho japoney. Fanadinana hitsapana fahaizana teny vahiny iraisam-pirenena ny JLPT. Mitovy amin’ ny […]
TARATRY ny KANTO
Nate Tex – Piment Café Behoririka. Sambany tao anatin’ny taona maro! Tsy dia mpanao “cabaret” firy i Nate Tex, kanefa nisafidy ny Piment Café Behoririka izy, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamerina indray ireo hira nankafizan’ny maro azy, hatrany amin’ny “Mahatalanjona”, “M’Fly away”, sns, hatramin’ireo nivoaka faramparany, […]




