Taratra

Politika ankapoben’ ny fanjakana: naverina ny fihaonamben’ny lehiben’ny Sampam-pitsarana

Ao anatin’ny fanatanterahina ny politika ankapoben’ny fanjakana, ny minisitera fitsarana. Naverina ny fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra. Tanterahina any Toliara, mandritra ny telo andro, nanomboka omaly, ny Fihaonamben’ny lehiben’ny Sampam- pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra na ny «Journées des Chefs des Juridictions Judiciaires». Nanokatra izany tamin’ny […]

INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely, teo Ambohidahy ny talem-paritry ny UNFPA aty amin’ny faritra ilany Atsimo Atsinanan’i Afrika, Lydia Zigomo. Niompana tamin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ka ho betsaka ny asa iarahana eo amin’ny minisitera sy ny UNFPA. […]

Tetikasa mendrika : hahazo vola hatramin’ny 7 500 dolara

Nisokatra tamin’ity volana marsa ity ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana avrily ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo fikambanana maniry ny hisitraka famatsiam-bola avy amin’ny Amerikanina. Avy amin’ny tetikasa “Ambassador’s Special Self-Help” (SSH) no hahafahana manatanteraka izany. Misokatra ho an’ireo ONG na fikambanana na kaoperativa rehetra mijoro ara-dalàna […]

“PharmagoraPlus”: nandray anjara i Madagasikara

Isan-taona, manana solontena mandray anjara amin’ny hetsika “PharmagoraPlus” izay hairanty lehibe atao any Paris ny farmasianina malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Fihaonana naharitra roa andro. Natokana ho an’ny farmasianina sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny mpisehatra amin’ ny fivarotam-panafody. Nisy ny fifanakalozana amin’ny samy farmasianina matihanina. Nisy ny fijerena ireo […]

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: tsy nanaiky ny fangatahan’ny foibem-panadinana tolo-tanana

Namoaka naoty ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny faran’ny volana janoary. Maimaimpoana ny fisoratana anarana ho amin’ny fanadinana CEPE sy BEPC. Taorian’ny fangatahana tolo-tanana (vola) nata­on’ny lehiben’ny foibem-panadinana hisahana ny CEPE ary ny BEPC tamin’ny ray aman-drenin’ny mpiadina, nihetsika ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nisy ny filazana navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Maimaimpoana […]