Naneho firaisankina ny mpitatitra mandeha amin’iny lalan’Ambohimiadana Andramasina iny. Hifarimbona amin’ny fanamboaran-dalana izy ireo ka nivonona amin’ny fandraisana anjara mivantana hanatsarana ny asa fitaterana, izay fiveloman’izy ireo mihitsy. Tena potika tanteraka ny ampahan-dalana eo anelanelan’Ambohimiadana sy Anempoka. Velon-taraina ireo mpitatitra fa sady manimba fiara no mamono antoka tanteraka satria ela […]
Taratra
Raha tsy mivaly ny fitakiana: tsy hampianatra ny Seces sampana Antananarivo
Manoloana ireo fitakiana marobe nataon’ny Seces sampana Antananarivo, tsy hiroso amin’ny fidiran’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony izy ireo raha tsy vahan’ny fanjakana amin’ny ampahany ny fitakiana. Nanao fivoriambe teny Ankatso ny Seces sampana Antananarivo, omaly. Nilaza fa mbola tsy hiroso amin’ny fidirana ho an’ny taom-pianarana 2022 – 2023 eny […]
Ankazobe : mpangalatra akoho tra-tehaka tao anaty fisoko
Noraisim-potsiny tao anaty fisoko ny mpangalatra akoho iray tao Ankazobe, afakomaly. Mbola tsy nihidy ny vavahadin’ny tompontrano, nanararaotra niditra ity olon-dratsy ity. Niandry ny alina tsy hisy mpivezivezy intsony, nitsofoka tao anatin’ny tranon’akoho izy. Nangalarin’ity tontakely ity ny akoho miisa valo. Efa nofatorany tsikelikely ireo biby ireo ary niandry izay […]
Ambohimangakely : mpanao hala-boty iray nidoboka am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alakamisy teo, ilay lehilahy tratra namaky tsenan’olona iray teny Ambohimangakely. Mbola karohina kosa ilay namany niray tsikombakomba taminy. Tsiahivina fa saron’ireo zandary mpanao fisafoana teo am-panaovana ny asa ratsiny ireto mpamaky trano, ny alin’ny alahady 08 janoary teo. Novakian’ireto jiolahy tamin’ny “barre à pince” […]
Tesaka miray le maigny : misavorovoro ny fiainam-pirenena, sahirana ny malagasy
Mitondra ny fomba fijeriny manoloana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ny antoko Tesaka miray le maigny, raha naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety, omaly. Mahatsapa ny fikambanana fa misavorovoro ny fiainam-pirenena eto Madagasikara. «Tsy mipetraka intsony ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona», hoy izy ireo. Ankotra izay, mahatsapa ny […]