Taratra

CUA- Fitantanana tsena : tsapa ny ezaky ny ben’ny Tanàna

Niarahaba nahatratra ny taona sy nirary soa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny solontenan’ny mpivarotra sy ny mponina, omaly. Nanolotra fanomezana ho an’ny ben’ny Tanàna izy ireo nandritra izany. Tonga teny an-toerana avokoa ny fikambanan’ny mpi­varotra eto an-drenivohitra sy ny fikambanan’ny mponina ao anatin’ny […]

Haintany sy fahamaizana : nanohana tokantrano 42 532 ny BNGRC

“Nandritra ny taona 2022, nahatratra 56 ny trangana fahamaizana teto Madagasi­kara ary ny 80% amin’ny fahavoazana dia vokatry ny tsy firaharahana avokoa ka tokony ho mailo ny rehetra.”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andria­kaja Olivier Elack. Vao tamin’ity herinandro ity, nisy fahamaizana roa niseho tao amin’ ny faritra […]

Tetikasa «Haraton’Aina» : tokantrano 150.000 nisitraka ny Vatsin’Ankohonana

Anisan’ny nisongadina tao anatin’ny dimy taonan’ny tetikasa Vatsin’Ankohonana anatin’ny fandaharasana « Haraton’Aina » ny fisitrahan’ny fianakaviana 150.000 tohana mandritra ny telo taona misesy.  Nanao tombana momba ny tetikasa «Haraton’ Aina», fiahiana ara-tsosialy ny minisiteran’ny Mpo­nina, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, omaly, te­tsy Ankorondrano. Nisonga­di­na tamin’izany fa nahatratra 150.000 ireo fianakaviana tena latsaka anaty fahasahiranana […]

CNIDH : “Tsy voamarina ny fivarotana zaza any Ikongo”

Nanao fanambarana, ma­noloana ny fiparitahan’ny resaka fivarotan-jaza ao amin’ny distrikan’Ikongo ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly. Nanatanteraka fanangonam-baovao sy fanamarinana teo anivon’ireo sampandraharaham-panjakana, olom-boafidy sy firaisamonim-pirenena any an-toerana izy ireo. “Tsy voamarina hatreto ny fisian’ny tranga fivarotan-jaza any an-toerana”, hoy ny CINDH. Nambaran’izy ireo fa […]

Tsy fifankahazoan’ny samy depiote: niaro ny kestora Jean Michel ireo ben’ny Tanàna

Nohelohin’ireo mpitazona hazomanga, mpandrindra fiarahamonina ary ireo ben’ny Tanàna miisa 16 amin’ireo kaominina 21 any amin’ny distrikan’Ambovombe An­droy ny depiote any an-toerana, i Milavonjy. Ambaran’izy ireo fa nametavetana sy nanaratsy ary nanalabaraka ny depiote Jean Michel Henri, voafidy tao Ambovombe sy ny mpitondra isan-tokony io solombavambahoaka io. “Tsy rariny intsony […]