Nitohy, omaly, ny fifanakalozana traikefa ao anivon’ny Vaomiera iombonana mandrindra ny asa (CCC) ao anatin’ny tetikasa ho fampandrosoana ny fitantanana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana (F3LTM). Manohana ara-bola sy ara-teknika ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) amin’ny fanatanterahana azy ny Fiaraha-miasa japoney (Jica). Nilaza ny Sekretera jeneraly (SG) ny […]
Taratra
Fanolanana zaza : hisantatra ny famosirana i Dawilly
Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly i Dawilly, ilay tovolahy voampanga ho nanolana ankizivavy enin-taona, tao Imerintsiatosika. Izy no mety hisantatra ny famosirana. Nitondra fanazavana ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona fa nampiakarina teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, i Dawilly, ilay […]
INDRAY MIJERY
Mpianatra manodidina ny 200 no nisitraka fanentanana amin’ny « fandrindrana ny fiainana ara-pananahana » ho an’ny tanora ao amin’ny oniversiten’ Analanjirofo. Tanjona ny mpianatra lavitry ny vohoka tsy nirina sy mandray an-tanana ny hoaviny ary mahavita ny fianarany hatramin’ny farany. Iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izany. Hitohy ny fanaraha-maso […]
Zokiolona : arahina ny tetiandro fizarana fisotroan-dronono
Nivoaka ny tetiandro fizarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ho an’ny volana marsa. Manaraka hatrany ny fitsinjaran’ny laharana ny fandraisana izany hisian’ny lamina. Hanomboka rahampitso 8 marsa ny fizarana eto amin’ ny faritra Analamanga ho an’ ny eny anivon’ireo perceptions principales (PP), trésorerie principale (TP), Trésorerie Principale Inter-communale (TPIC). […]
Meteo Madagasikara : mikarakara fifaninanana sary
Mikarakara fifaninanana manao sary ny Meteo Madagasikara izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny toetry ny andro. Lohahevitra ny hoe « Lohalaharana amin’ny hetsika mahakasika ny toetr’andro » ary natokana ho an’ny mpianatra 7 hatramin’ny 17 taona. Manao sary mifandraika amin’ny lohahevitra maneho ireo asa sy hetsika […]




