Taratra

WMG sy InnerWheel : vehivavy sahirana 47 nahazo mari-pankasitrahana

Navoaka sy notolorana mari-pankasitrahana tetsy Andraharo ireo vehivavy sahirana. Hoesorina ao anatin’ny fahasaharinana sy hanomezana asa ho azy ireo no tena tanjon’ny fiofanana. Navoaka, omaly, tetsy Andraharo ireo vehi­vavy 47, andiany faha-12 sy 13. Niofana sy nianatra momba ny fianarana zaitra sy fanaovana “serviette hygiénique” azo sasana izy ireo. Nisy […]

Rasoamaromaka Hery : “Tsy misy afa-misora-tena ho kandidà aloha izao”

Efa mandeha ny fisehosehoana sy karazana tsindry mialoha amin’ny haha kandidà ho an’ireo mpiara-dia sasany amin’ny fitondrana. Mazava anefa aloha hatreto ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ ny TGV, Rasoamaromaka Hery. “Tsy misy na iray aza aloha afaka mitonona fa kandidà avy amin’ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoe­lina (Irmar). Anaty fifantenana […]

Kaominina manodidina an’Antananarivo: misitraka fiofanana ny Tomponandraikitra

Misitraka fiofanana, na­nom­boka ny 5 hatramin’ny 8 marsa 2024, eny amin’ny Fond de Développement Local (FDL) Anosy, ny tomponandraikitry ny kaominina manodidina an’ Antananarivo. Kaominina sivy, avy amin’ny distrikan’Atsi­mon­drano sy Avaradrano ary Am­bohidratrimo no miatrika izany. Ny Ivontoerana nasionaly momba ny fitsinjaram-pahe­fana (INDDL) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitsin­­jaram-pahefana sy ny […]

Fiaraha-miasa: nandray ambasadaoro telo ny filoha Rajoelina

Nanao tohivakana ny fandraisan’ny filohan’ny Repoblika ireo ambasadaoro, miisa telo teny amin’ny Lapan’i Iavoloha, omaly. Niompana amin’ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo firenena ireo ny fihaonana tamin’izany. Anisan’ny noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, ny masoivohon’i Irland, i Patrick Empey, nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika. Nambaran’ny va­hiny tamin’izany fa nojerena […]

Vami: “Hahazo ny maro anisa ny Firaisankina”

“Tokony hahazo maro anisa ny Firaisankina”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakinia­diana, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Nefa ny ahiahy tsy ihavanana: tsy main­tsy misy hampiasa vola sy fahe­fam-panja­kana. Eo ny olana: hahazo ny maro anisa parlemantera ve ny mpanohitra? Fifidianana manaikaiky vahoaka […]