Taratra

Soalihy Moussa : “Iankinan’ny fahamarinan-toerana ny fifidianana”

“Tsara mitambatra koa fa tsy tokony hisaraka amin’izao fiatrehana fifidianana izao fa iankinan’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana ny fifidia­nana solombavambahoaka”, hoy ny mpandinika politika, i Soalihy Moussa, ny amin’ny fifidianana depiote. Tsy tokony hohadinoina fa tsy fifidianana fotsiny no atrehina amin’izao fa eo koa ny amin’ny fahamarinan-toerana politika. Rehefa marin-toerana ny eny […]

Ramamimampionona Gérard: “Mifangaro ny fifidianana sy ny fividianana olona amin’izao”

Amin’izao ankatoky fifidianana depiote izao, efa misy izay mihevitra na heverina ho kandidà no midina ifotony. Misy ny efa manome fanampiana etsy sy eroa. Midika inona? Maneho ny fijeriny ny mpandi­nika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana amin’izao. Dinidinika… Gazety Taratra (*): ny fihitanao ny fiatrehana fifidia­nana amin’izao? Ramamimampionona […]

TARATRY ny KANTO

Hivoaka ny faran’ny volana marsa 2024, ny boky «Ny valamparihin’i Bebe», nosaratan’ Andrianimerina Hobiana ary sary nataon’i Max Razafindrainibe. Ankoatra ny maha asa soratra fanabeazana azy, tantaran’olona niaina tamin’ny taona 1947 no navoitra ao anatin’ity boky ity. Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Kudeta Anosy, ny hetsika « Run Mada», hetsika ara-javakanto maroloko, […]

RMT 2024 : nahazo tombony ny ankizy

Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Kolomahaolo, Loharanombato, ny andro fahefatra amin’ny fankalazana ny « Rallye moi(s) Théâtre » (RMT), andiany fahafito. Hipoka tanteraka ity ivontoerana ity. Nameno ny toerana ireo mpianatra avy amin’ny sekoly maro samihafa manodidina ny Kolomahaolo. Niara-nianoka angano isan-karazany sy fampisehoana ary tantara an-tsehatra manana ny maha izy […]