Tany amin’ny taom-pahazazany Ramiandrisoa Jalèma Monico no efa tia mozika sy mitendry zavamaneno ary mamoron-kira. Ankehitriny, tapa-kevitra ny hanokana manontolo ny talentany izay nampiany fandalinana mozika ho amin’ny fiderana ny Ray izy. Ankoatry ny maha mpamorona, mpandrindra ary mpitendry vatamaroafitsoka an’i Jalèma any am-piangonana, mahay mihira sy mikirakira feo amin’ny […]
Taratra
Madagascar Espace : hihaona amin’ny mpankafy ny Tselatra
Hiezaka ny ho eo avokoa ny mpikambana ao amin’ny tarika. Izay no fikasana amin’ny “cabaret” izay hotontosain’ny tarika Tselatra ny zoma 1 marsa izao, eny amin’ny Madagascar Espace By Pass Ambohimangakely, manomboka amin’ny 9 ora alina. Seho faramparany mialoha ny hiverenan’i Eric any ivelany izy ity, raha ny fanazavana. Efa […]
Fandaharanasa Hay : tanjona ny hampiroboroboana sy hampivelatra ny haikanto
Mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana maro samihafa, avy eto Antananarivo renivohitra, no nisitraka ny fandaharanasa Hay, izay mikendry ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny haikanto rehetra. Notanterahina omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny atrikasa fanenomana ho an’ny ankizy manana fahasembanana. Fiaraha-miasan’ny fikambanana Ank’ izy sy ny Fondation H ary ny fari-piadidiam-pampianarana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hapetraka ny drafitrasa FSCPP, hitsinjovana sy hanarenana ny takaitra navelan’ny loza voajanahary sy ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nivory tao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ireo mpisehatra rehetra, miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena, omaly 27 febroary. Miisa 3 000 ny zana-kazo nambolen’ny mpiasa miisa 1 050 ao amin’ny Foibem-pitondrana […]
MEAH sy ONG WHH : fanatsarana ny fitantanana ny fako
Natao sonia omaly 27 febroary ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH), notarihin’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, sy ny ONG Welthungerhilfe (WHH). Fifanarahana miompana amin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny fako, ao anatin’ny tetikasa “Passat-4”. Tohin’ny efa nataon’ny ONG WHH nanomboka ny taona 2014 […]




