Nandritra ny fihaonan’ny komitim-pirenena momba ny ady amin’ny Sida na ny CNLS tamin’ny mpanao gazety, omaly, dia niaiky izy ireo fa nisy tsy fahatomombanana ny lafiny fitantanana saingy tsy nisy kosa ny fanodinkodinam-bola. Nilaza ho vonona amin’ny fiatrehana ny fanadihadiana ataon’ny “Inspection générale de l’Etat” (IGE) ireo mpitantana ao amin’ny […]
Taratra
Mpivarotra amoron-dalana : notoloran’ny filoham-pirenena vary
Tsy ankanavaka ny fanomezana avy amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry tamin’ity taona ity. Nisitraka ny fanampiana ny avy aminy ireo mpivarotra amoron-dalana. Nizarana vary tetsy amin’ny kianjan’ny Malacam izy ireo, omaly. Tonga nanolotra izany ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, Pelandroy Espérance niaraka tamin’ny tale misahana ny serasera ary mpitondra tenin’ny […]
CUA – Fonja fanarenana Antanimora: vehivavy 580 nomen’ny ben’ny Tanàna sakafo
Nahatsiaro manokana ireo vehivavy voafonja ao Antanimora ny CUA, tarihin’ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ny Aumonerie Samaritana Tsara Fanahy. Tafiditra amin’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izany hetsika izany. Toy ny fanaony isan-taona, amin’ny fijerena ny maha olona, resy lahatra ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, i Naina Andriantsitohaina […]
Rugby : misokatra ny fifindrana klioba
Ao anatin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana vaovao 2023 ny rehetra, ankehitriny. Mandritra izany no hahafahan’ireo mpilalao isanisany, mifindra klioba “mutation”. Raha ho an’ny taranja rugby manokana, efa nisokatra nanomboka ny 22 desambra lasa teo izany. Malalaka amin’ny safidiny sy araka izay tiany hifindrana ny mpilalao tsirairay. Tsiahivina fa hifarana ny 27 […]
Kitra any Ivelany: vonona ny hanarina ny lasa i Neymar sy i Mbappé
Hanomboka anio ny andro faha-16 ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa taranja baolina kitra “Ligue 1”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Paris Saint Germain (PSG) sy ny Strasbourg. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianja Parc de Prince, any Paris. Vonona hanarina ny lesoka tamin’ny fifaninanana eran-tany “Mondial 2022” […]