Nihaona tamin’ny mpitondra fanjakana malagasy ny delegasiona avy amin’ny Global Polio Eradication Initiative, ny herinandro lasa teo. Nidinika tamin’ny OMS Madagascar sy ny Firenena mikambana eto Madagasikara ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fanaovana vaksiny izy ireo. Miompana amin’ny fanasongadinana ny anjara asan’ny vaksiny amin’ny ady amin’ny lefakozatra, ny fampiroboroboana ny […]
Taratra
Masoandro Mody – Fetin’ny renibe: hampirantiana ny asa tanan’ ny zokiolona
Mbola mahavita asa ary mila ampirisihina tsy hipetrapetra-poana ny zokiolona, hoy ny tomponandraikitry ny fikambanana Madagascar Alzheimer, Masoandro mody. Voalaza fa tsy ny taona efa mandroso na ny aretina aterak’izany no sakana amin’ny fivelarana maha olona. Maro ny traikefa ananan’ireo zokiolona mbola azony ampiharina ho fikolokoloana ny saina sy ny […]
Lavabaton’i Sarodrano: miroborobo ny fizahantany
Tsy maintsy miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny toerana samihafa rehetra. Manana ny fomba hiatrehany izany ny mponina any Sarodrano, kaominina St-Augustin, distrika Toliara II, faritra Atsimo Andrefana. Mivelona amin’ny sehatry ny jono an-dranomasina sy ny fiompiana lomotra (algue) ary ny fizahantany ny mponina. Nilaza Rtoa Francine, vadina mpanjono, sady mpivarotra […]
Fandraisana ny « volantany »: manaiky ny famindrana ny fasana ireo tompon-tany
Nahafaly ny mponina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny filazan’ny fanjakana, farany teo, fa ho maro ny tetikasa mahakasika ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Manantena ny hiverenan’ny tetikasa Base Toliara ny any an-toerana. Anisan’ny miandry izany koa ny Vaomiera misahana ny famindran-toerana ara-dalàna na « Resettlement working group » RWG ao […]
Fananan-tany: Tokony hanana sata mifehy azy ny kijana
Nohavaozina ny taona 2005 ny lalàna mahakasika ny fananan-tany. Zava-baovao amin’izany ny fametrahana ny karatany, omen’ny kaominina, manampy ny titra. Nanamarika anefa ny ao amin’ny Sehatra iombonan’ny fananan-tany (Sif), fa na eo aza ny lalàna, tokony hojerena mihitsy ny lafiny zava-misy sy ny rafitry ny fiarahamonina. Anisan’izany ny tokony hanomezana […]




