Taratra

Fanatsarana ny fitaterana : hiara-hiasa i Madagasikara sy Inde

Nihaona tamin’ny masoivo­hon’i Inde eto Madagasi­kara, Atoa Bandaru Wilson­babu, ny minisitry ny Fitate­rana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, ny zoma teo, hanatsarana ny tontolon’ ny fitaterana eto Madagasi­kara sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Voaresaka, nandritra izany, ny fomba hampitomboana ny fiaramanidina sy ny sidina mampitohy an’i Madagasikara […]

VAOVAO TAMBATRA

Miato avokoa ny fifandraisana an-dranomasina eo amin’i Madagasikara sy ny Nosy Comores hisorohana ny mety ho fahatongavan’ny valanaretina Choléra eto amintsika. Nahazo fahazoan-dalàna manokana kosa ny sambo mpitatitra entana toy ny solika, entona fandrehitra. Hentitra amin’ny fanarahan-dalàna sy fepetra ara-pahasalamana ny tomponandraikitra. Miisa 1 500 ireo tokantrano marefo nisitraka jiro mandeha […]

Fambolen-kazo 2024: velaran-tany 4 058 ha voavoly

Notanterahina ny zoma teo, tao Analavory, fokontany Antaratasy, kominina ambanivohitra Mahavelona Foulpointe, ny taom-pambolen-kazo 2024, ao amin’ny faritra Atsinanana. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore. Velarantany 4 058 ha no voavoly zana-kazo 11 000 fototra nandritra io fotoana io. Nandray anjara tamin’izany sy voasolotena […]

Janoary 2024 : nampidi-bola 234,4 miliara Ar ny fadintseranana

Tsara fanombohana ny taona ho an’ny fadintserana malagasy. Mitotaly 234,4 miliara Ar ny vola nampidiriny ao anatin’ny kitapombolam-panjakana, ny volana janoary. Tsara ny vokatra ho an’ny fadintserana malagasy. Ny volana janoary teo, mahatratra hatrany 234,4 mi­liara Ar ny vola nampidiriny ao amin’ny kitapombolam-panjakana. Niakatra ho 243,3 miliara Ar izany vola […]

INDRAY MIJERY

Mpianatra ho infirmiera anesthésiste avy amin’ireo oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana nomena fampiofanana momba ny fandraisana an-tanana mahakasika ny lalan-drivotra. Notonto­saina teo anivon’ny CHUGOB, niarahana tamin’ny mpisehatra avy ao amin’ny Association Solidaire des Infir­miers en Anesthésie et Réanimation de Madagascar ny hetsika. Misy alondrano aterak’ilay sisan-drahona nave­lan’ny Eleanor […]