Milamina sy mangingina hafahafa izany ilay andavanandron-dRamalagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra. Toa tsy misy ny olana fa mizotra tsimoramora eny ilay fiainana. Efa mionona amin’izay miseho na tsy manjary aza ny ankabeazan’ny olona! Zary fahazarana ny miaina anaty zava-dratsy. Izay tsy manaraka ny onjany no toa hafahafa sy voailika. […]
Taratra
Fanatsarana ny fomba fiasan’ny fitsarana: napetraka ny Tranonkala hitarainan’ny vahoaka
Nitondra fanazavana momba ny fanatsarana ny fomba fiasa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, teny Faravohitra, omaly. Anisan’izany ny fahazoana mitaraina, ho an’ireo manan-draharaha eny amin’ny fitsarana. “Hamaliana ny fitarainana io Tranonkala, www.fitsarana-valio-tarainako.mg io ho an’ireo manan-draharaha eo anivon’ny fitsarana”, hoy ny minisitra. Nambarany fa anisan’ny laharam-pahamehana ny fametrahana […]
Andohalo : mpanendaka tratran’ny polisy
Nifanenjehan’ny polisy, voasambotra teny Andohalo, ny 24 febroary teo tamin’ny 4 ora tolakandro. Vehivavy iray nandalo no lasibatr’io tontakely io. Lasany ny findain’io mpandalo io. Niantso vonjy avy hatrany ity farany. Nahare ny zava-nisy, nanara-dia ilay mpanendaka ny polisy niasa tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fanendahana. Tratra ilay lehilahy. Nalaina […]
Lycée Ankadikely Ilafy: mpianatra 10 vavy torana tao an-tsekoly
Ankizivavy am-polony niara-torana tampoka taorian’ny fananganan-tsaina nataon’izy ireo tetsy amin’ny Lycée Moderna Ankadikely Ilafy, omaly. Azon’ny tsy fahasalamana tampoka izy ireo. Fito vavy, mpianatra amin’ny taona faharoa no niaraka nihetsika tampoka ny aretiny. “Tratrin’ilay aretina Spasmophilie ny dimy tamin’ireo mpianatra ireo vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro”, hoy ny fanazavan’ny talen’ ny […]
Ady lova sy vono olona: Vehivavy nolerana antsy sy nozerana fanoto
Vokatry ny fitiavan-karena, nanaraman’ny anadahiny mpamono olona ny vehivavy iray. Nolerana antsy sy novelesina tamin’ny fanoto izy. 2 000 000 Ar no karaman’ny olon-dratsy. Renim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano novonoin’ny anadahiny iray tampo aminy tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kominina ambonivohitr’ i Vatomandry, ny 4 febroary teo. Hita faty tao an-tokantranony […]




