Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 29 febroary 2024, eny amin’ny efitrano malalaky ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika “Cinema for Change”, karakarain’ity ivontoerana ity sy ny Cooperation Monegasque à Madagascar. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Ny tanora, indrindra ireo misehatra amin’ ny tontolon’ny sarimihetsika, no tena kendrena […]
Taratra
“Bagasy mazia romotra” : hiroso amin’ny tena fampisehoana ny Zandry Gasy
Nandeha tsimoramora… Fa miroso hatrany ny Zandry Gasy. Hizara an-tsehatra ny “Bagasy mazia romotra” izy ireo. Fampisehoana hamaritra ny endriky ny ho avy izy ity. Manana tanjona sy vina. Tarika efa nandalo sedra maro, nanoritra ny lalana hizorany amin’ny ho avy ny Zandry Gasy. Izay no tena nisongadina indrindra tamin’ny […]
Saosety: laoka vitsy mpitia nefa mitondra vokatsoa maro
Sakafo fantatry ny maro ary betsaka amin’izao fotoana izao ny saosety. Ataon’ ny olona fangaron-daoka sy lasary izy ireny amin’ny ankapobeny. Maro ihany koa anefa ny olona tsy tia mihinana io vokatra iray io. Anisan’ny mahatsara ny fahasalaman’ny olombelona anefa izy. Anisan’ny legioma tsy lefy laza ary maro mpamboly eto […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ireo andiany Miatrika, niofana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana teo anivon’ny Enam, ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Navoaka ny faran’ny herinandro teo izy 100 mianadahy nahazo izany mari-pahaizana manokana izany. Nifandinika momba ny hampandehanana ny asa eo anivon’ny minisitera ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, sy ireo sendikà amin’ izany […]
Ratsiraka Annick : “Hanana kandidà amin’ny fifidianana ny Arema”
“Handrotsaka kandidà sady kandidà Arema izahay amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana ben’ny Tanàna”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, tamin’ny fambolen-kazon’ny antoko tany Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, amin’ny fiatrehana ny fifidianana ato ho ato. Nahoana ny tany mahantra toa an’i Madagasikara no ambony no ho ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina […]




