Nankalaza ny faha-20 taona nikabariany i Souleman ny faran’ny herinandro teo, teny Antanetibe Mahazaza. “Ny olombelona no harena, tsy hanao hetsika fitadiavam-bola fa hanao asa soa amin’ny sehatra maro”, io ny teny filamatry ny fankalazana. Fotoana nifampizarana ireo fahatsiarovan’ny maro azy teo amin’ny lafiny rehetra ihany koa. Tontosa tetsy amin’ny […]
Taratra
Haneho ny maha izy azy: hiaka-tsehatra ny tarika Iniah
Hiverina hiaka-tsehatra indray ny tarika Iniah, mivoy ny mozika mafana, amin’ny 2 marsa izao, manomboka amin’ny iray ora tolakandro, rehefa tsy henoheno nandritra ny fotoana naharitra. Hatao etsy amin’ny Le pavé Antananinarenina ny fampisehoana “dejeuner concert” karakarain’izy ireo, mitondra ny lohateny hoe: “embona sy kalo”. Tanjona ny hampahafantarana ny vokatra […]
AmbondronA : nomena lanja kokoa ny taloha
“Misy ny hira tambatra. Tsy toy ny mahazatra ny fomba fisehoana eny an-tsehatra sy nandaharana ny hira. Haharitra adiny telo ny fampisehoana. Maro ireo mpankafy nangataka mba hanatanterahina seho amin’ny toerana tahaka ity CCI Ivato ity. Raha ny taona, efa azo lazaina ho zoky ihany, satria, hankalaza ny faha-25 taonany […]
Tsara fanombohana : nanana kalitao tsara ny « Reko Tour 2024 »
Raikitra ny fitetezam-paritra ho an’ny tarika Reko. Nisantarana izany ny fampisehoana notanterahina teto an-drenivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-5 taonan’ny tarika Reko. Hanatanteraka fitetezam-paritra maro izy ireo amin’ity taona ity. Natomboka ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny efitrano « Horloge » Gara Soarano, ny « Reko Tour 2024 ». […]
Fanjifana angovo: mbola maro mpampiasa sy mpanodina eto Madagasikara ny hazo
Miezaka miaro ny ala sy mamboly hazo ny tomponandraikitra eto Madagasikara. Mbola miantoka ny fanjifana angovo eto an-toerana ny hazo. Manodidina ny 92 % amin’izany ny arina fandrehitra. Mbola maivana ny fanjifana angovo hafa eto Madagasikara ary lafo loatra ny herinaratra, tsy takatry ny maro. Tsy mitsaha-mitombo ny fanjifana hazo […]




