“Tsy misy eritreritra handrava ny birao maharitry ny Antenimiera ny depiote maro anisa, ary tsy ao anatin’ny nanaovana antso avo hitadiavana fitoniana izany”, hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha tamin’ny anaran’ny IRD, Razakandrainy Henri Dominique, momba ny hoe fangatahana fivoriana tsy ara-potoana handrava ny birao maharitra. Koa raha mitady fitoniana […]
Taratra
Minisitra Hatrefindrazana Jerry: “Malemy ny mpanohitra eto Madagasikara”
“Fomba fiadin’ny mpanohitra ny mijery ny hirika madinidinika hahazoany mba mipoitra amina sehatra iray. Malemy ny mpanohitra eto ary izay indraindray no mahatonga antsika lasa mivaona tanteraka ny fomba fanoherana na ny fijerena ny tsy mety.” Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa vaventy, i Hatrefindrazana Jerry, momba ny fihetsiky […]
Prefet Antananarivo: “Tsy maintsy manao arovava orona anaty taxi-be”
“Mbola ao anatin’ny hamehana ihany isika. Ny fiarovan-tena voalohany dia ny fitandremana ny hanina sy ny sotroina, mba ho salama isika amin’ny taona 2023. Eo koa ny fiarovan-tena amin’ny fety”, hoy ny prefet Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Anton’izany ny mbola fisian’ny valanaretina covid-19, indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra amin’izao […]
Jly Rakotonirina Richard: mampitandrina ny mpanakorontana
Hentitra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, momba ny fisian’ireo mikasa hanakorontana eto amin’ny firenena. Eo anilan’ny filoham-pirenena hatrany ny Foloalindahy… “Isika Foloalindahy malagasy dia mandray fepetra mialoha mba hisorohana ny krizy mety hitranga satria tandroka aron’ny vozona ary natao hiaro ny fiandrianam-pirenena. Vaindohan-draharaha ny fiarovana ny vahoaka […]
Vondrozo: tafaverina ireo omby nalain’ny dahalo
Avotry ny zandary sy ny fokonolona ireo omby roa nalain’ny dahalo tao Ambohimahasoa fokontany Ifoitry, kaominina Anandravy, distrikan’i Vondrozo, ny alatsinainy teo. Vantany vao lasan’ireo dahalo ny omby, nampandre ny zandary ny tompony. Nanao ny fanarahan-dia arak’izany ny fokonolona sy ny zandary roalahy. Nifanehatra tao amin’ny fokontany Mangaikarea, kaominina Andoharano […]