Naneho ny heviny ny mpampakatenin’ny Ceni mahakasika ny fangatahan’ny firaisamonina sivily sasany momba ny tetiandrom-pifidianana. ”Fifidianana izay lany fe-potoam-piasana no irosoana”, hoy izy. “Hatramin’izao aloha, izay fifidianana amin’ireo olom-boafidy lany fe-potoam-piasana nofaritan’ny Ceni amin’ny maha mpanomana sy mpikarakara ary mpanatanteraka fifidianana azy no irosoanay.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpampakatenin’ny Ceni, […]
Taratra
Zava-mahadomelina : Ramatoa nahatrarana rongony 8 kg
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny ramatoa iray mpivarotra rongony tao amin’ny fokontany Maevarano, kaominina Ankazomborona, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Naharay fampahafantarana avy amin’ny tsara sitrapo ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa manaparitaka rongony ary mivelona amin’ny alalan’ny famarotana io karazan-java-mahadomelina manimba tanora io ilay ramatoa. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy marina […]
Fanafihana biraon’ny zandary: misokatra ny fanadihadiana
Efa misy ireo olona voasambotra atao famotorana momba ny fanafihana biraon’ny zandary borigadin’Ankazomiriotra, omaly. “Maromaro ireo voasambotra atao famotorana ary misy ireo mbola karohina”, hoy ny fanazavan’ ny zandary ao Mandoto. Kila tsy nisy noraisina ny fiara iray niaraka tamin’ny moto fito nodoran’ny fokonolona. Lehilahy voalaza fa notifirin’ny zandary tao […]
Herisetra ara-nofo : telo lahy mpanolan-jaza voasambotra
Telo lahy naiditra am-ponja vokatry ny herisetra ara-nofo nataon’izy ireo tao anatin’ny herinandro monja. Zaza tsy ampy taona mbola mianatra avokoa ireo lasibatra. Mirongatra izay tsy izy ny trangana fanolanana tato ho ato. Lehilahy miisa telo saron’ny mpitandro filaminana tamin’ny toerana samihafa tao anatin’ny herinandro monja. Nosamborin’ny polisy ny lehilahy […]
Varotra ivelany: hanohana an’i Madagasikara ny fandaharanasa CIR
Vonona hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny seha-pihariana lavanila ny fandaharanasa “cadre integré renforcé (CIR)” toy ny natao tany amin’ ny nosy Comores izay nanaovana fandinihana manokana sy matihanina. Nentin’ny mpandrindra eto anivon’ny firenena ny fandaharanasa CIR, Paulin Zambelongo, teo amin’ireo mpikambana anatin’ny komity mpitantana nasionalin’ny fandaharanasa ny vokatry ny fanohanana […]




