Taratra

“Global AI talent empowerment 2025 » : Solontena 4 ny an’i Madagasikara

Handray anjara amin’ny hetsika «Global AI Talent Empowerment (Gaite) 2025”, karakarain’ny International Olympiad in Artificial Intel­ligence IOAI, i Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’ny Stem for Good. Tovovavy efatra dia i Fitizo, Manasoa, Mendrika ary Ainafi no hisolo tena antsika miaraka amin’ny mpitarika Rakotoson Cynthia izay manana traikefa amin’ny tantsoroka ho […]

Fifaninanana ara-pikarohana – « MT 180 » : Nisongadina ny zava-bitan-dRazafindramaso Nasolo

Notanterahina afakomaly, tetsy amin’ny IFM Analakely, ny famaranana ny hetsika fanaovana ny tati-pikarohana ao anaty 3 minitra « Ma thèse en 180 segondes (MT 180)», andiany fahafito. Nahazo ny laharana voalohany, tamin’izany, Razafindramaso Na­solo, vehivavy mpikaroka avy ao amin’ny Oniversite An­ta­nanarivo. Novelabelariny nandritra ny fe-potoana voafetra ny resaka « Agro industrie alimentaire, passage […]

Avy amin’ny fanjakana japoney : Lycée teknika telo hahazo fampitaovana

Natao tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny fanaovan-tsonia fampitaovana ny Lycée teknika telo eto Madagasikara. Avy amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena japoney Jica izy ity ary hatolotra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Fampitaovana ho an’ny Lycée teknika telo: Toamasina, Alarobia ary Ampasampito ireo fitaovana raitra ireo […]

TARATRY ny KANTO

« Ny hasin’ny Teza eo amin’ny Betsileo ». io ny lohahevitry ny atrikasa karakarain’ny Mozean’ny Oniversiten’Antananarivo, izay hatao anio manomboka amin’ny 10 ora, eny amin’ny ICMAA Isoraka. Hizara fahalalana mandritra izany Rakotozafy Andriana avy any Kiangara, Andriamilanto (ben’ny Tanànan’i Sahatona) ary Rahajasoa, mpiresaka. Nosafidiana noho ny fifehezany ny lohahevitra izy ireo. Hotontosaina […]

Ho fampitiavana ny teatra: Holalaovina an-tsehatra ny « Iza no izy » ?

« Iza no izy » ? Tantara nosoratan’i Willy Rabarijaona. Holalaovina an-tsehatra, etsy amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny Sekoly Sainte Famille Mahamasina, ny alahady 1 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Tan­taram-pitiavana nanamarika ny vanim-potoanan’ny « tolona » tamin’ny taona 1947. Tazana ao anatiny ihany koa, anefa, ny hatsikana eny an-tsefantsefan’ny tantara. Ani­san’ny tanjona amin’izao seho […]