Tsy mitsahatra mivoatra ny tontolon’ny niomerika. Ampiasaina sy miantraika amin’ny fiainana ankapobeny mihitsy, toy ny ara-toekarena, ara-panabeazana, ara-pitsaboana, ara-tafika, sns. Voakasik’izany mivantana ihany koa ny tontolon’ny serasera, toy ny fanaovan-gazety sy ny fampitam-baovao. Niaiky izany, omaly, i Johary Ravaojanahary, tale jeneraly, fampahalalam-baovao niomerika, ny News 24-7, raha Vaovao 24-7 no […]
Taratra
Mobile Money : Mijoro ny Task Force
Manamora ny andavanandron’ny Malagasy, ankehitriny, ny fandoavam-bola Mobile Money, ifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday. Maro anefa ny olana sy ny fitarainan’ny mpanjifa, indrindra ny fahaverezam-bola, ny tsy fahatomombanan’ny fifanakalozana, ny fahataran’ny famahana ny olana mitranga. Manoloana, izany, najoro ny vaomiera manokana, « Task Force » hampivondrona ireo rafitra voakasika rehetra, sady hanamafisana ny […]
Ambatofinandrahana : Nihena ho 414 ha sisa ny velaran-tany ambolena orge
Tsy mitsahatra mihena ny velaran-tany ambolen’ny tantsaha ny orge any Ambatofinandrahana, noho ny tsy fahafahan’ny mpandray ny vokatra mividy azy. Manampy trotraka ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Kivy ny tantsaha toa an-dRazafimahatratra Florent, mpamboly orge any Ambatomainty, fokontany Vinany, distrika Ambatofinandrahana. Nambarany fa : «tena loharanom-bola iankinan’ny ankohonana mihitsy ny fambolena ity zavamaniry […]
FANTINA sy FINTINA
Mampahatsiahy hatrany ny FFKM fa tsy fivoriana fotsiny ny dinika nasionaly. Fomba iray hifampihainoana sy hiaraha-midinika mba hitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny firenentsika, araka ny nambaran’izy ireo, omaly. « Fomba iray hanamafisana ny fiombonam-pirenena sy ny firaisankina io. Aoka isika handray anjara sy hiara-kanorina », hoy izy ireo. Nohitsin’ny RCR, tarihin-dRazafiarison Laza, […]
Mitaky firaisan-tsaina
Mba aza voany ihany! Rehefa mihenahena aloha amin’izao dia mahita faisana. Tahaka ny mamofopofona “avereno” indray ilay raharaha manga. Ohatra ny hataon’ny sasany tetezana hiverenan-dalana ilay izy. Aiza koa fitakiana sosialy, mivadika faty olona. Na inona na inona lazaina misavorovoro ny eto an-tanàna. Porofo mivainga ilay mivoaka miditra amin’ny […]




